FIANGONANA FPMA - ORLEANS
DINIDINIKA MIKASIKA NY ASA FANOMPOAN’NY DIAKONA
Eto am-piandohana dia tsara ny milaza fa tsy haitraitra na fombafomba na
fanao mahazatra akory ny fisian’ny Diakona ao amin’ny Fiangonana fa fanarahana
sy fankatoavana izay voalaza ao anatin’ny Soratra Masina. Izany dia manomboka
amin’ny fiantsoan’Andriamanitra mpanompo samihafa sy ny fifidianany ary ny
fanokanany azy ho amin’ny asa fanompoana samihafa.
Ny niantsoan’Andriamanitra an’i Mosesy
(Eksodosy 3.1-12);ny niantsoana an’i Abraama sy ny nanovan’Andriamannitra ny
anarany (Genesisy 12.1-5; 17.1-8); ny nanendren a
an’i Isaia ho Mpaminany (Isaia 6.1-9); ny niantsoana an’i Jeremia ho Mpaminany
(Jeremia 1.4); ny niantsoana an’i Ezekiela ho Mpaminany (Ezekiela 2.1 – 3.3);
ny niantsoan’i Jesoa an’I Petera sy Andrea ary Jakoba sy Jaona (Matio 4.18-22;
Marka 1.16-20; Lioka 5.1-11); ny niantsoana an’i Matio (Matio 9.9-13; Marka
2.13-22; Lioka 5.27-39); ny niantsoan’i Jesoa ny Apostoly 12 lahy (Matio
9.35-10.1-18; Marka 3.13-19; 6.7-13; Lioka 6.12-16; 9.1-6); ny nahazoan’i Jesoa
ny Mpianany (Jaona 1.35-51); ny niovan’i Saoly ho kristiana (Asa 9.1-19).
Izany rehetra izany dia milaza mazava
amintsika fa antso sy fanendren’Andriamanitra no nahatonga ho Diakona ny
mpanompony fa tsy avy amin’ny safidimpon’olombelona akory. Izany indrindra no
mahatonga antsika ho gaga sy talanjona indraindray rehefa mahita olon-kafa izay
tsy nampoizintsika akory nefa lasa Diakona ; ny olona izay noheverintsika sy
nantenaintsika anefa tsy lasa Diakona.
FA INONA NO
ATAO HOE DIAKONA, ARY INONA NO TOE-TSAINA SY TOE-PIAINANA ILAINA AMIN’IZANY ?
Ny anarana hoe Diakona dia avy amin’ny teny
grika hoe: “diakonos” (esclave) andevo na mpanompo. Io teny io dia avy amin’ny
fototeny hoe :”konis” (vovoka). Araka izany dia mazava tsara fa ny anarana hoe:
Diakona dia anaram-panajana fa tsy fakam-boninahitra satria ny Diakona dia
olona nantsoin’Andriamanitra hanompo Azy; olona mpanompo fa tsy tompoina; olona
manaiky ho andevon’i Kristy ;olona mihosom-bovoka.
Izany fiainam-panompoan’ny Diakona izany
dia mahatonga azy ho vavolombelon’i Kristy na ho maritiora mihintsy koa aza
“marturia” (témoin, martyre); olona manaiky hanao ny asa fanompoam-bahoaka
“leiturgia” (service public ; se mettre au service de tout le monde); nefa koa
manaiky hanao asa fanasoavana, fihahiana ny hafa “diakonia” (diaconie ;
entreprendre une oeuvre caritative – “karitas”).
Raha izany rehetra izany no dinihina dia
azo lazaina fa maro ary samihafa ny adidy sy asa fanompoana miandry ny Diakona.
Koa izay nandray izany antson’ny Tompo izany ka manaiky hanao ny asa fanompoana
dia tokony hahatsiaro lalandava fa tsy ny Mpitandrina na olon-kafa akory no
tompoiny sy maniraka azy fa ny Tompo Andriamanitra Izay tia azy ka nifidy azy
mba handeha sy hamoa voa tsara.Eo am-panaovana izany asa fanompoana izany dia
tsy tokony hisy olona haniraka, ary tsy tokony hiandry mpaniraka ihany koa ny
Diakona fa ho sahy hanira-tena. Tsy tokony hifampitsara na hifampitsikera koa
ny Diakona eo am-panaovana izany asa fanompoana izany fa hanao azy
amim-panetren-tena sy amin’ny fifanajana.
FA INONA MOA NY ATAO HOE FIANGONANA
?
IZAY
MAHA-IZY AZY NY FIANGONANA , NY FITONDRANA
SY NY
FANDAMINANA AZY .
Tsara ho fantatra ny maha-izy azy ny Fiangonana, dia
ny maha-Fiangonana ny Fiangonana. Ny tsy fahafantarana sy ny fahadisoan-kevitra
mikasika ny Fiangonana antsy dia mahatonga antsika hanaonao foana satria olona
tsy mahalala ny fomban’ny fiangonana ka lasa manimba ny Fiangonana sy ny
asan’Andriamanitra.
FAMARITANA NY
FIANGONANA
Ny teny fototra, teny grika hoe :”Eklesia”
izay nahazoana ny teny latina hoe :”Ecclesia” sy ny teny frantsay hoe :”Eglise”
dia tsy tena voalza loatra amin’ny nandikantsika Malagasy azy hoe: Fiangonana.
Ny teny voalohany ao amin’ny “Eklesia” dia
“Ek..”, na “Ex..”, midika hoe : mivoaka na miala ao anatin’ny zavatra iray .
Ny faharoa dia “Klesia” izay milaza
fiaraha-mihinana sy fiombonan-databatra, ary ny fahatelo dia ny hoe :”Klesis”,
avy amin’ny matoateny hoe: “Kletos”, manasa na koa “Kaleo”,miantso.
Ny atao hoe :”Eklesia” araka izany dia
fikambanan’ny olona nantsoina ka nanaiky ary niala tao amin’ny toerana iray ka
miombona ao amin’ny toerana iray vaovao.
Ny tena mpikambana ao amin’ny Fiangonana
ary dia ireo izay nahatsapa fa olona nantsoina izy ka nanaiky sy nanapa-kevitra
ary niala tao amin’izao tontolo izao, tsy naman’izao tontolo izao intsony ary
tonga olom-baovao. Izy rehetra dia tena iray ihany satria miombana latabatra ka
samy mihinana ilay fihinam-panahy iray ihany, ary dia iray vatsy iray aina.
Raha tsy toy izany ianao dia tsy mbola
tafiditra ao anatin’ny Fiangonana ka mandiniha tena tsara. Aza tafandry mandry
manana aretina fa sao very maina avokoa ny nataonao rehetra satria hazakazaka
ivelan’ny “piste”.
NY MAHA-IZY AZY NY FIANGONANA .
Ny maha-izy azy ny Fiangonana,
ny mampiorina sy mampisy ny Fiangonana ,araka ny famaritana nataontsika teo
ambony io dia ny olona. Raha tsy misy ny olona mahafeno ireo fepetra voalaza
teo ambony ireo dia tsy misy ilay Fiangonana eo anatrehan’Andriamanitra, na dia
misy trano mijoro na misy fanompoam-pivavahana aza ao na misy Diakona sy
Loholona koa aza dia tsy izy ireny fa toy ny fampisehoana an-dapihazo fotsiny
ihany.
Zava-dehibe amin’Andriamanitra isika
olombelona, mila antsika Izy ka miantso antsika mba hanorina ny Fiangonany.
Miorina ny Fiangonana rehefa misy Petera ao
(Matio 16.13-19) Ianao no antenainy ho Petera hampisy ny Fiangonana eo amin’ny
faritra misy anao ka maneke amim-pitiavana, fantaro izay rehetra ilaina
amin’izany. Tsy hifandovana ny maha-Petera; tsy miankina amin’ireo Ray
aman-dreninao na ny anaram-pianakavianao fa miankina aminao irery. Ianao no
antsoiny ka ianao no tokony manapa-kevitra sy miova.
Azo lazaina fa ny olona iray niova fo dia
efa Fiangonana fa ny fikambanan’ny Petera rao na maromaro no tena Fiangonana
satria tsy ampy ny maha-Fiangonana azy raha tsy misy ny fiombonana amin’ny
hafa.
Ny fiombonana ao amin’ny Fiangonana dia
tena ilaina satria isan’izay maha-izy azy ny Fiangonana izany. Tsy azo
lazainaho Fiangonana akory izy raha tsy mandala izany fiombonana sy
fifanatiavana izany. Tsy misy azo ahilikilika na iza na iza fa zava-dehibe ny
tsirairay, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny zokiny indrindra .
Tsy ny fiombonan’ny mpino ao amin’ny
toerana iray ihany anefa fa indrindra koa ny fimbonan’ny Fiangonana namana
rehetra manerana ny tany. Aoka tsy ho ianareo samy ianareo ao ihany no
hifankatia fa lasa fitiavan-tena izany. Hevero koa ny fiombonana amin’ireo
namana hafa.
Jesoa Kristy indrindra ka no tena maha-izy
azy ny Fiangonana. Izy no tompon’ny Fiangonana dia ny Fiangonan’Andriamanitra
izay novidiny tamin’ny ràny (Asa 20.28). Tsy antsika ny Fiangonana fa Azy,
araka izany dia tsy mety ny miteny hoe: Fiangonanay, na Fiangnan-drazanay ka tokony
hahitsy.
Tokony hekentsika fa Jesoa Kristy no
Lohan’ny Fiangonana (Kolosiana 1.18) Izy no mibaiko sy toavin-teny ao. Diso
hevitra izay manao azy ho tompom-piangonana na ho lohany ao amin’ny Fiangonana
ka mihevitra fa hibaiko sy heken-teny ao, na fianakaviana na fikambanana na
olon-tokana no mana izany, dia mamily ny Fiangonana ho tsy Fiangonana izy.
Ny Fanahy Masina no hery miasa ao amin’ny
Fiangonana. Izy no mahamasina ny Fiangonana sy izay rehetra momba ny Fiangonana
ka mahatonga antsika ho olona masina,izany hoe olona voatokana.Ny asan’ny
Fiangonana koa dia tonga asa masina, ny fitaovana rehetra ho fanaka masina .
Izany dia mahatonga ny ara-panahy ho lohalaharana amin’ny zavatra rehetra.
Ny Fiangonana dia tena vokatry ny
fiaraha-miasan’Andriamanitra Telo Izay iray sy ny olona, na amin’ny fanorenana
azy na amin’ny fampandrosoana azy dia mila antsika Andriamanitra. Mila izay
fanomezam-pahasoavana rehetra ananantsika Izy.
Ny mampalahelo dia izao :isika indray no
mampitambitamby sy mamilafila Azy. Indraindray dia miseho ho tsy mila Azy isika
dia ahorintsika samy irery ny Fiangonana. Ny herintsika no ampiasaintsika sy
antenaintsika, na amin’ny fanorenana na amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana.
Isika no miseho ho lohan’ny Fiangonana ka mibaiko sy mitondra azy.
NY FITONDRANA
SY NY FANDAMINANA NY FIANGONANA
Tsara ny manamarika eto
am-piandohana fa misy fitondrana maro samihafa voalaza ara-tantara .
Ao n y fitondrana “
Patriarcal” ,izay ahitana ny fahefan’ny Patriarche na koa ny Père (autorité du
Père)
Ao koa ny fitondrana “Ploutocratique” ,
izay ahitana ny faheafan’ny Mpanankarena (autorité des riches).
Aon y fitondrana
« Aristocratique » na « Oligarchique », izay ahitana ny
fahefan’ny andriana na olona ambony fara-piainana ( autorité des nobles)
Ao ny
fitondrana « Démocratique », izay ahitana ny fahefan’ny vahoaka (
autorité du peuple)
Aon y fitondrana
« Théocratique »,izay hanekena ny fahefan’Andriamanitra (autorité de
Dieu)
Ary ao ny fitondrana
« Apostolique », izay ahitana ny fahefan’ny Apostoly (autorité des
apôtres).
Tokana ihany ny fahefana izay manapaka ao
amin’ny Fiangonana Protestanta Calviniste, misy ny FJKM sy FPMA dia ny fahefana
« Théocratique ». Izany hoe Andriamanitra irery no hany tompon’ny
fahefana ao amin’ny Fiangonana FJKM sy FPMA , tahaka izay ekena ao amin’ny
fianakaviam-ben’ny Alliance Réformée mondiale izay iankinany.
Telo ny rafi-pandaminana ankapobeny hita ao amin’ny Fiangonana dia
ireto :
-
Fandaminana “ pyramidal “ ,izay apetraky ny “souverain
pontif “n any Pape . Dia izay hita ao amin’ny Fiangonana Katolika romana .
-
Fandaminana
“congrégationaliste” ,izay voamariky ny kongresy na “assemble générale”, dia
izay hita ao amin’ny Fiangonana Loterana sy ny hafa koa.
-
Fandaminana
“Prebytero-synodal”, izay voamariky ny ambaratongan-drafitra toy ny Diakona –
Mpihevi-draharaha – Mpandray ny Fanasan’ny Tompo – Synodam-paritany –
Mpiandraikitra Lehibe – Synoda Lehibe . Dia izay hita ao amin’ny Fiangonana
FJKM sy FPMA .
Araka izany rehetra izany dia
tsy azo ampitahaina amin’ny fitondrana fikambanana “ association” na
fitondram-bahoaka “ démocratique” ny fitondrana ny Fiangonan’Andriamanitra
satria tokana ihany ny filamatra dia ny TENIN’ANDRIAMANITRA . Tsy izay lanin’ny
maro na eken’ny maro an’isa akory no tena marina ,na izay lanim-bahoaka sy
eken’ny vahoaka fa IZAY MIFANARAKA TSARA AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA IHANY .
Ny fitondrana ny Fiangonana sy ny
fandaminana azy dia tokony hatao mifanaraka tsara amin’izay voalazan’ny Foto-dalàna
sy ny fitsipiky ny FPMA. Noho izany dia tsara ny mahafantatra tsara sy
mianatra mihintsy koa aza ny foto-dalàna
sy ny fitsipiky ny FPMA.
Mampalahelo fa indraindray rehefa misy tsy
mety na mampiahiahy ny fitondrana ny Fiangonana, na efa tsy milamina ny
Fiangonana vao mividy sy mampiasa ny foto-dalàna sy ny fitsipiky ny FPMA isika
, efa diso tara loatra anefa izany .
RAKOTOARIMANANA
Joseph,Mpitandrina.