Menu

Affichage des articles dont le libellé est Anjara Soa. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Anjara Soa. Afficher tous les articles

jeudi 19 septembre 2013

Fandraisana an'i Kristy


ANJARA_SOA_Septembre 2013

AO AMIN’NY KRISTY, NY FIOMBONAN’NY MPINO DIA EFA MANAKAIKY NY 
FAHAFENON’ NY FAMONJENA, ARY TSY MILA FAMPIANARANA HAFA 
INTSONY (Kolosiana 2 :6-19). 

Ry havana malala ao amin’ny Tompo,

Tadidintsika ve ny fotoana nandraisantsika an’i Kristy ho Tompontsika ?

Ny apostoly Paoly no miantso antsika eto sady mananatra manao hoe: “mandehana ao Aminy 
araka izany hatrany!” Koa tokony hataon’ny tsirairay tahaka ny nandraisany an’i Kristy ny
fiainany, fa fotoana feno fifaliana sy fiadanana ary fitiavana no niseho tamin’ny fandraisana an’i
Kristy.

Ka tokony hamaka tsara sy hiorina mafy ao Aminy hatrany isika (and.7). Kristy no famonjena
antsika ary izany no nahatongavany tety an-tany, mba hanatanteraka indray ilay fihavanana
vaovao ny olombelona miaraka amin’Andriamanitra, ka Jesoa Kristy irery ihany no Mpanalalana
tokana, ary tsy misy olombelona hafaka manao mpanalalana ny olombelona
amin’Andriamanitra.(Hebreo 12:24).

Ary amin’izany dia misy fitandremana be dia be hasain’ny apostoly Paoly tandreman’ny kolosiana
tamin’izany fotoana izany, izay mbola manankery hatramin’izao 21 è siècle izao ho antsika mpino
sy mpanaraka an’i Kristy koa, ary mbola mitohy izany fampitandremana izany mandrakankehitriny
(and.8) satria maro ireo filozofian’olombelona sy ny filozofian’izao tontolo izao no mitady hisarika
antsika. Raha ampitahana amin’ny fahendrena sy ny fahalalana ao amin’ny Kristy anefa izany dia
famitahana ihany.

Ny maha-kristiana ny fiombonan’ny mpino dia voatsindrin’i Paoly tanteraka eto satria : “Ao 
amin’ny tenany (Kristy) no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra.” Izany 
hoe Ao amin’i Kristy no itoeran’ny fahafenoana rehetra (Kol 1:19). 

Ny hatao hoe fahafenoan’Andriamanitra dia ny fitambaran’ny toetra tsara rehetra toy ny
fitiavana, ny fahazavana, ny fahamarinana, ny hery, ny fahendrena, ny fahamasinana.Ireo
toetran’Andriamanitra rehetra ireo dia ao amin’I Jesoa Kristy avokoa. Koa noho izany Kristy no
itoeran’ny fahafenoan’Andriamanitra, Ilay Andriamanitra velona.(and.9).

Isika dia afaka mizara izany fahafenoana izany amin’ny finoana an’i Kristy. Ny Fanahy Masina no
hafaka mameno antsika ireo toetran’Andriamanitra ireo. Ary rehefa feno ny toetran’Andriamanitra
isika dia ho tanteraka.

Koa ny firaisan’ny mpino izany dia efa manakaiky ny fahafenoan’ny famonjena, efa mandray 
anjara amin’ny famonjena rehefa nandray tanteraka an’i Kristy (and.10-15) ary tsy mila
fanarahana zavatra hafa intsony fa hazo antoka ny maha-kristiana azy.

Ampiasain’i Paoly eto ny famorana hanazavana an-tsary ny “fanesorana” ny tenan’ny nofontsika
na ny toetsika mpanota. Ny famoran’i Kristy dia “famorana” ara-panahy, mba hahatonga antsika
ho masina ao am-po (Jer 4:4;Rom 2:28-29).

Tahaka izany koa ireo kristiana vita batisa ao amin’i Kristy izay efa niara-nilevina tamin’i Kristy 
amin’ny batisa. Ary ampiasain’i Paoly eto ny batisa enti-manazava ny fanadiovana ny toetsika
taloha sy ny ota, mba hahazoantsika manomboka ilay fiainam-baovao ao amin’i Kristy.

Koa noho izany mialoha ny hidirantsika ao amin’ilay fiainam-baovao ao amin’i Kristy, tsy maintsy 
voadio isika ary tsy maintsy maty koa ireo toetsika mpanota teo aloha, izay vao hafaka mandray
ilay fiainam-baovao ara-panahy isika. Tsy maintsy miara-alevina amin’i Kristy ny toetsika taloha
vao afaka hatsangana miaraka Aminy indray ny toetsika vaovao (Rom. 6:3-6,8).

Noho izany dia mila fiovan-po sy fanoloran-tena marina ny kristiana. 

Maty ara-panahy isika raha mbola tsy nino an’i Kristy. Matin’ny fahadisoantsika sy ny tsy fiforan’ny
nofontsika isika. Kanefa nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia novelominy isika ary 
navelany ny fahadisoantsika rehetra. Nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia nandray 
fiainam-baovao, fiainana mandrakizay, amin’ny finoana isika (Efe.2:1-2,4-6,8).

Rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia nandresy ireo fanapahana sy fahefana ratsy rehetra
ary noreseny koa ny fahafatesana ary tamin’izany no namonjeny antsika.

Amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy amin’ny finoana an’i Kristy irery ihany no hamonjena ny
olona. Kristy irery ihany no lalana mankany an-danitra (Jao.14:6).

Milaza i Paoly fa tsy ny fanetren-tena haitraitra, na ny fivavahana amin’ny anjely, na ny traikefa
niainana manokana eo amin’ny lafiny ara-panahy no mahavonjy ny olona, fa ny finoana an’i Kristy
irery ihany. Tsy mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra ny anjely, fa tokana ihany ny
mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra, dia Jesoa Kristy irery ihany (1 Tim.2:5, 1 Jao 2:1).

Toy ny tena iray ny Fiangonana, ka ilain’ny mpivavaka tsirairay ao ny mitoetra eo ambany
fanapahan’i Kristy Izay Lohany, arak any tenin’ i Paoly tamin’ny Fiangonana tao Efesosy: “Mba 
hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia 
Kristy; Izy no itomboan’ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny 
fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiàsan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjaraasany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.” (Efe. 4:15-16). Amen!

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!

Pasteure Landy RAJOHARISON ANDRIANAVELASOA
Mpitandrin’ny Fiangonana .

samedi 30 mars 2013

Ny Ran'i Kristy


   NY RAN’I KRISTY : FANAVOTANA HO ANTSIKA                


Ity texte ity dia tsy azo sarahina amin’ny Hebreo toko 9 sy toko 10. Voalaza ao amin’ny Heb 9, 22 fa raha tsy misy rà latsaka dia tsy misy famelan-keloka. Izany no fombam-pivavahana teo amin’ny Testamenta Taloha. Ny Levitikosy 16 ohatra dia mitantara ny famonoana osilahy na ondrilahy natao fanatitra noho ny ota.
Izany fanatitra voalazan’ny Testamenta Taloha izany anefa dia tsy mahaisotra ota satria raha mahaisotra ota izany hoy ny mpanoratra ity episitily ity dia tsy ho naverimberina isan-taona (Heb 10, 1-4). Tsy mahaisotra ota ireny fanatitra alatsa-drà ireny satria tsy sitrak’Andriamanitra (Heb 10, 5-6) noho izy ireny naterina araka ny lalàna (Heb 10, 8). Ny lalàna no nanery ny mpisorona nanao azy. Tsy sitrak’Andriamanitra izany.
Ny sitrak’Andriamanitra dia izay vokatry ny fo. Ny sitrak’Andriamanitra dia ny fanaovana ny sitrapony an-tsitra-po, am-pitiavana fa tsy izay avy amin’ny faneriterena avy amin’ny lalàna akory.

Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe : “Inty aho tonga Andriamanitra ô hanao ny sitrakao” ( Heb 10, 7-10) dia nanatitra ny tenany am-pitiavana Izy, nanolotra ny tenany hatao fanatitra.

Ny ràn’i Kristy


I Kristy dia tsy mba nitondra ràn’osilahy na ràn-janak’omby natao fanatitra, fa ny ràn’ny tenany no natolony an-tsitra-po (Heb 9, 12). Marihana anefa, fa tsy Andriamanitra Ray no mila ny ràn’i Kristy hanadiovana ny tenany. Tsy Andriamanitra no nanota. Sanatria izany! Misy mihevitra fa, ny faharatsimpon’Andriamanitra dia tsy maintsy toniana amin’ny ràn’ny tsy manan-tsiny, amin’ny ràn’ny Zanak’ondry. Misy mihevitra an’Andriamanitra ho mpamaly faty.
Tsy izany no hambaran’ny Soratra Masina. Tsy Andriamanitra Ray no mila rà hanadiovana ny tenany fa isika no mila ny ràn’ny Zanak’ondry, isika no mila ny ràn’i Kristy hanadio antsika.

Andriamanitra dia fitiavana ary ny làlana mankeo Aminy dia mivoha mandrakariva amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Mba hahazoana miditra ao dia mila ny ràn’i Kristy isika hanadio antsika.

 Inona no zava-mitranga amin’ity hoe fanavotana amin’ny ràn’i Kristy ity ?


1) Ny ràn’i Kristy no manadio antsika.

Diovina isika satria mpanota no sady manao heloka isan’andro. Mpanota isika satria nandova ota. Ary vokatr’izany fandovana ota izany dia misy fitongilanana amin’ny ratsy ao anatintsika ao (Sal 14, 3). Hay ho azy io manota io. Tsy ampianarina fa hay ho azy. Ka dia manota isan’andro isika, velona amin’ny ota isika. Mamorona ota isan’andro koa isika no sady manao heloka koa.

Samihafa ny atao hoe heloka sy fahotana. Ohatra no entiko hanazavana azy. Ny hazo tsara mamoa voa tsara ary ny hazo ratsy mamoa voa ratsy. Ny heloka dia oharina amin’ny voa ratsy avy amin’ny hazo ratsy izay manondro ny fahotana. Araka izany, ny heloka dia vokatry ny fahotana. Ny fahotana dia ny tsy finoana an’Andriamanitra, ny fandavana an’i Kristy. Ny heloka dia ny halatra ohatra, ny fankahalana sy ny sisa maro tsy voatanisa. Mandram-piala eto an-tany dia manongotra io hazo ratsy io foana isika.

Ny ràn’i Kristy no manadio antsika amin’izany rehetra izany mba hananantsika toky mandrakizay fa tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

2) Ny ràn’i Kristy no mampihavana antsika amin’Andriamanitra Ray.

“Ianareo izay lavitra fahiny dia nampanakeken’ny ràn’i Kristy” hoy ny apostoly Paoly (Efes 2, 13). “Kristy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny dia ny famelana ny fahadisoantsika” (Efes 1, 7). Eo amin’izay misy famelan-keloka no misy fihavanana amin’Andriamanitra koa. Rehefa mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra isika dia angatahina amin’ny anaran’i Kristy izany.

 Amin’ny teny hafa dia hoe Jesosy Kristy no mitondra antsika eo amin’Andriamanitra Ray rehefa nodioviny tamin’ny ràny isika.

 3) Ny ràn’i Kristy koa no manao famoronam-baovao amin’ity tenan’ny fahafatesana ity noho ny asan’ny Fanahy Masina.

Noho ny fahotana dia mizotra ho amin’ny fahafatesana isika, tsy ny nofo ihany fa isika manontolo. Izao anefa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika araka ity Hebreo ity : “Izao no fanekena ataoko aminy hoy Jehovah : ataoko ao am-pony ny lalàko sady soratako ao an-tsainy” (and 16). Ny faneken’Andriamaintra dia Izy Andriamanitra no manatanteraka azy, Izy no mandray ny andraikitra rehetra mba hahatanteraka izany fanekena izany.

Izany no antony nanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany ho an’izao tontolo izao sy ny Fanahy Masina. Fa ny Fanahy Masina no manoratra ny lalàna ao am-pon’ny olona ary ny ràn’i Kristy no ranomainty anoratany azy.

Araka izany, ny famelan’Andriamanitra heloka (sy/na ota) dia midika ho fandraisan’Andriamanitra ilay olona ho Azy tanteraka. Omeny ny Fanahiny hitarika azy ho amin’ny marina rehetra izy. Omeny ny Fanahiny hitarika azy ho amin’ny fibebahana marina izy.
Ny fibebahana marina dia ny fanekena fa mpanota sy olo-meloka izy ary fantany ilay fahotana na heloka nataony (angatahina amin’ny Fanahy Masina ny fampahafantarana izany fahotana sy/na heloka izany). Ny vokatr’izany fiaikena fa mpanota izany dia fifonana sy fanekena ny herin’ny ràn’i Kristy ary faniriana fatratra ny hosasan’izany. Manomboka hatreo, dia toetra vaovao avy amin’ny Fanahy Masina no sitrany sy ataony ary mangataka isan’andro amin’ny Tompo izy mba hampitoetra tsara azy amin’izany.

“Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga  vaovao ireo” (II Kor 5, 17) hoy Paoly.

Jesosy Kristy mipetraka eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra Ray,  mifona ho antsika isan’andro isan’andro. Noho ny Amiko Ray ô dia avelao ny helony sy ny fahotany. Midika izany fa mbola miasa Kristy, ary azo antoka ny asany. Vokatr’izany : ”Ny fahotan’ny olona sy ny helony dia tsy hotsarovan’Andriamanitra intsony” (and 17).

Andriamanitra rehefa mamela antsika dia mamela tanteraka. Azo antoka ny famelany heloka (sy/na ota)Misy olona izay andevon’ny lasa ; ny heloka (sy/na ota) efa navelan’Andriamanitra 10 taona lasa ohatra dia mbola tsiahiviny ihany ka angatahana famelana indray ankehitriny.

Hatreo amin’ny nanoloran’i Jesosy Kristy ny tenany, dia tsy misy fandatsahan-drà intsony ho famonjena. Ampy ho mandrakizay ny ràn’i Kristy satria ny ràn’i Kristy dia manadio 100%, hatramin’izay miafina indrindra na  hatramin’ny eritreritra aza.

Mipetraka eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra Ray i Kristy Jesosy mandrampanaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.

Fotoana intermédiaire izao ; fotoana eo anelanelan’ny nandresen’i Kristy an’i Satana sy ny hanorotoroany an’izy ireo amin’ny farany. Izany hoe, amin’izao androntsika izao dia mbola velona Satana ary mbola miasa na dia efa noresen’i Kristy tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty aza.
Mbola hitantsika amin’izao androntsika izao ny fisian’ny kiakiaka sy tomany, taraina vokatry ny ataon’i Satana sy ny miaramilany, mbola hitantsika koa ny avonavona, ny adilahy, ny tsy fitiavana, ny fitokana-monina tsy mila ny hafa, sns...

Mandrampiala eto an-tany dia miady amin’io Satana io foana isika. Raha mbola velona ka mifoka rivotra dia miady amin’io Satana io foana (Efes 6, 12). Tsy miady irery isika amin’izany, fa Andriamanitra no miady ho antsika. Raha tsy miaraka amin’i Jesosy isan’andro isan’andro dia tsy afaka ny hanao izany.

Ny vavaka ataon’ny mino, vavaka fiadiana amin’Ilay ratsy dia fiadian’Andriamanitra atolony antsika. Ny asan’ny fiangonana izay mitory fanafahana, fampihavanana sy fiadanana dia fiaraha-miasa amin’Andriamanitra.

Mivavaka mandrakariva isika mba tsy ho azon’Ilay ratsy. Ny vavaka eto dia tsy fombafomba toy hoe rehefa hisakafo dia tsy maintsy mivavaka fa tena fanankinam-po tanteraka amin’Andriamanitra, tena fiantsoantsoana an’Andriamanitra ho antoka sy fototry ny fahavelomana, tena firaisan’aina tanteraka amin’i Kristy, tena fiainana toy rivotra iainana.

“Jesosy Kristy tsy fomba fa fiainana”.

Ny finoana marina : miandry ny famonjen’i Kristy amin’ny fahanginana


Hitantsika eo amin’ny fiainantsika na ny manodidina antsika anefa, fa na dia mivavaka aza isika dia mety ianjadian-javatra mampalahelo ihany ny fiainantsika. Mety ho azon-doza na zava-dratsy tsy ampoizina noho ny ataon’ny sasany. Tsy midika akory izany hoe niala tamintsika Andriamanitra ka mampisalasala ny fiainan-koavintsika rahatrizay.

Andriamanitra miaraka amintsika Izy na hatrany am-pasana aza. “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (and 14). Ny hoe “olona hamasinina” dia olona nofidian’Andriamanitra ho Azy na velona na maty.

Ny mino dia matoky ny ràn’i Kristy ary mivavaka mandrakariva mba tsy hahazo azy Ilay ratsy. Ary raha sanatria ianjadian-javatra avy amin’Ilay ratsy izy dia mivavaka mba tsy ho azon’ny fakam-panahy.
Ny fakam-panahy dia ny fanaovana ny fomban’i Jodasy. Ny maha Jodasy an’i Jodasy dia tsy ilay vola telopolo notakiany hamadiana an’i Jesosy akory satria naveriny io, fa ny fanereny an’i Jesosy : raha Zanak’Andriamanitra Izy dia asehony tokoa izany maha-Zanak’Andriamanitra Azy izany raha tamy hamely Azy ny fahavalo. Izany no fomban-Jodasy, hevitra toa marina nefa mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanome tanteraka an’i Jesosy Kristy Zanany ho an’izao tontolo izao.

Enga anie mba tsy hanao fomban-Jodasy ny mino ka hanao hoe raha Andriamanitra mahery noho i Satana tokoa Izy nahoana aho no marary na hiaram-boina toy izao? Nahoana no tsy asehony fa Izy tokoa no Kristy?

Ny mino dia matoky ary miandry ny famonjen’i Kristy amin’ny fahanginana, amin’ny finoana. Fantany fa saro-pantarina tsy takatry ny saina Andriamanitra sy ny làlany ( Joba 38). Ny azo antoka dia izao :

Ampy antsika ny ràn’i Kristy


Mitsatoka eto ny Hazo fijaliana! Mitete ao amin’ny fiangonana ny ràn’i Kristy! Ianao dia an’Andriamanitra na matory na mifoha na salama na marary na maty na velona. Ary mbola ho avy ny andro izay hanaovan’i Kristy io Satana io ho fitoeran-tongony ka tsy ho afaka hiasa sy hamitaka ny zanak’Andriamanitra intsony izy. Hohidin’ny herin’i Kristy ho amin’ny fahafatesana mandrakizay izy.

Mitete eto ny ràn’i Kristy! Ao amin’ny fiangonana no hanadiovan’i Jesosy Kristy ny olona amin’ny ràny amin’ny alalan’ny batisa mba tsy ho hita sy tsy ho tsarovana mandrakizay intsony ny fahotany. Ao amin’ny fiangonana no hampaherezany ireo kivy sy ketraka amin’izao fiainana izao. Ao amin’ny fiangonana no handraisan’i Kristy ireo mamoifo sy tampi-dalan-kaleha ary ireo ahilikiliky ny fiaraha-monina sy lazainy ho tsy misy vidiny intsony. Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo maditra ka mitady marina ny famonjena. Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo mpiavonavona tsy mahavonjy tena, vonona handray fiainam-baovao. Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo manana fo torotoro sy mangorakoraka.

Ao amin’ny fiangonana no hanomezan’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay. Ao amin’ny fiangonana no hitehirizan’i Kristy ireo rahalahiny sy anabaviny mahatoky Azy amin’ny finoana. Ao amin’ny fiangonana no hitantanany ireo mpivahiny trotraka mba tsy hosolafaka. Ao amin’ny fiangonana no handraisany antsika ka itenenany hoe : “Ahy ianao, Izaho no niteraka anao androany”.

Ka amin’izany dia ao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy no handraisan’Andriamanitra antsika sy hizaràny ny heriny sy ny fiainany mandrakizay amintsika. Ao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy, izay sady Andriamanitra no olona tokoa, no iombonan’Andriamanitra sy isika olombelona mandrakizay. Koa raha mbola velona koa Kristy dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’Andriamanitra na inona na inona, na iza na iza.

Sambatra izay manana an’i Kristy! Kristy izay Vato fehizoron’ny fanjakan’Andriamanitra (Efes 2, 20). Ny fiangonana no vavahadin’izany fanjakan’Andriamanitra izany ary ny ràn’i Kristy dia mitete eo. Ary dia  sitrak’Andriamanitra tokoa no sady maminy indrindra ny itoerantsika olombelona miaraka Aminy ao amin’izany fanjakana izany.

Mazotoa manolo-tena isan’andro ho an’Andriamanitra ry havako. Inty aho Andriamanitra ô, mifona tanteraka Aminao. Inty aho Andriamanitra ô, tena hivavaka marina tokoa. Raiso ny foko Tompo ô, ampaherezo aho. Meteza hanaiky ny tenin’i  apostoly Petera manao hoe :” Ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa...” (I Pet 4, 3) dia ho hitanao ny hatsaran’Ilay nandatsaka ny ràny ho famonjena anao.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Naina ANDRIALAMPISON
Mpitandrina  ny Tafo

vendredi 29 mars 2013


TORITENY ( natolotr'i Pst Emma Randrianandrasana Mpandrindra ny Faritany FAfAts naroson'i Larry Rakotovelo Diakona eto @ Tafo ny Alahady 17 Marsa 2013 teo)

Filazantsara efatra no loharano azo amantarana izay nitranga tamin’ny Paska farany natrehan’i Jesoa. Tsy dia mifanaraka loatra anefa ireo mpanoratra ny Filazantsara ireo amin’ny fitantarana, ary tsy dia tsotra loatra noho izany ny manatsoaka hevitra tokana.

NY FIAKARANA TAO JEROSALEMA

Ny Filazantsara telo voalohany dia tsy nitantara afatsy ny niakaran’i Jesoa indray mandeha tany Jerosalema, dia tamin’ny nanadiovany ny Tempoly. Io no voalaza fa antony namonoana Azy.
Ny Filazantsaran’i Jaona kosa dia mitantara fa in’efatra Izy no nankalaza ny Paska tao Jerosalema. Tamin’ny farany dia nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Izy, izay antony nanamelohan’ny Jiosy Azy.  Ny Lioka 19 sy ny Filipiana 2 no andraisantsika anjara hafatra anio.

NY ALAHADIN’NY SAMPAN-DROFIA

Izao tsiahivintsika anio izao dia ny andro niakaran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema, ka nanandratan’ny Jiosy Azy ho Mpanjaka. Nomarihina tamin’izany ireto manaraka ireto :
- novohana ny zanaboriky mifatotra. Moa tsy sary milaza ny fanafahana ataon’i Jesoa amin’ny voary manontolo amin’ny maha Mesia Azy va izany ry havana malala. Tsy ny zavatra toy ny sampan-drofia na ny boriky no ankalazaintsika amin’izany fa izay omanin'Andriamanitra. Dia ny fanandratana an'i Jesoa amin'ny faratampon'ny asany ka iretsy aloha dia manamafy ny maha-Izy Azy: ny fiandrianany, ny voninahiny tamin'ny alalan'ireo fahagagana rehetra vitany. Ary nasain’ny Tompo nalaina io zanaboriky io, notaingenany io, ary tsy mba ny biby fampiasan’ny mpanjaka toy ny soavaly izany. Milaza ny fanetren-tenan’i Jesoa, tsy nametraka ny tenany ho ny mpanjaka lehibe izy.
- nanofahofa sampan-drofia ny olona, Ny vahoaka no nidera sy nankalaza Ny Tompo Jesoa (Mat 21: 10). Ary satria ny zavatra notanterahan'i Kristy dia manandratra Azy. Mitovy amin’izay novakiana ny amin'ny tantaran’ny fahaterahany sy ny fahafatesany ihany koa izany.

Ny famonjena vitany no anadratan’ny Ray Azy : novakiantsika teo ny Epistily nosoratan’I Paoly Apoistoly ho an’ny Filipiana 2.
Fa eto kosa ry Havana : teny  ‘Hosana!’ iray fototra amin’ny hoe famonjena (salut) : ireo vahoaka miantso vonjy noho ny Romana manjanaka, nefa faly noho ny amin’ny asan’ny Tompo ka mankalaza Azy izy ireo :
Nifangaro tao amin’ny lelan’ny vahoaka ny hoe vonjeo ! sy ny hoe azontsika ny famonjena fa ity Ilay Mesia nandrasantsika hanafaka antsika eo am-pelan-tanan’ny Romana.

Hoy ny vahoaka, izay fanandratana Mesia satria noho ny fitaizana ireo Jiosy ny amin'ny fiahaviany Hosana :  lasa ho fiventy izany eto. Sarotra anefa amin'ny maha-zanatany azy ireo tamin'io vanimpotoana io ny nihoby izany fanjakana izany ao anaty fanjakana romana.
Kanefa nipaka hatrany amin'ny lanitra ny voninahitr’I Jesoa  ka nataon'Andriamanitra niharihary izany aoriana kely rehefa hitsangana amin'ny maty Jesoa fa ambony lavitra noho ny fanandratan-draolombelona ny fanandratan’ny Ray, ny fankalazan’ny Ray ny Zanaka araka ny Fil 2,5 – 11 “Kristy koa aza……”
Neken’ny vahoaka i Jesoa ho Mpanjaka.
Hoy izy ireo tamin’izany : « Isaorana anie ny Mpanjaka, Ilay avy amin’ny Tompo. Fiadanana any an-danitra, voninahitra any amin’ny Avo indrindra. »
Ny Filazantsara telo dia mampiseho fa tamin’ny Alahady niakaran’i Jesoa tao Jerosalema mialoha ny nahafatesany no nanadiovany ny Tempoly. Ary taorian’izany dia tsy nitsahatra nanontany an’i Jesoa ny amin’ny fahefana ananany ireo mpitondra fivavahana jiosy ary nitady izay teny mety ho diso avy amin’ny vavan’i Jesoa mba hanamelohany Azy.

Ny Filazantsaran’i Jaona dia mametraka io fanadiovana ny Tempoly io tany amin’ny fiandohan’ny asan’i Jesoa, fa tsy talohan’ny nahafatesany akory.
Na ho an'ireo mpankafy hira, na mozika, na ho an’ireo tia mamaky teny, na ho an’ireo tia mivavaka : ankalazao i Jesoa Tompo, Andriamanitra tonga nofo nanolotra ny ainy nividy ahy sy anao tamin’ny rà soany !
Ny Salamo 105: 1-3 sy Salamo 96: 1-3 dia misy baiko ny amin’ny fiderana an'Andriamanitra, tsy matahotra fa mirehareha aza.
Saintsaino ny fahagagana ataony hoy ny teny. Mahery Izy ka tokony ho faly manambara Azy dia Jesoa. Rehefa manambara olona ankafizina iray anefa dia hita fa finaritra ery satria feno azy ny fo. Tokony ny fiainana manontolo dia fiderana an'i Jesoa avokoa, amim-pitoniana, misy haja.

Ny Apok 5 sy 19 dia milaza ny fiainana ao an-danitra ao momba ny fiderana ny Zanak'ondry. Koa efa inoanao lalina ve Jesoa ka ho lasa feno Azy ny ao anatinao? Izay lazainao amin'ny hafa momba Azy - ny asa vitany - dia hotanterahan'Andriamanitra aminao koa izay tadiavinao. Mpamonjy amin'ny zava-tsarotra Izy ka mahay manome ny fanampiana rehetra antsika. Koa izay midera Azy eo amin'ny seza fiandrianany dia hampifaly Azy ary homeny fanasitranana mahery. Toa an'i Josafata izay naharesy ireo firenena 5 tamin'ny fiderana kanefa tsy niady. Na ny mandan'i Jeriko tamin'ny andron'i Josoa.

Fanalahidin'ny fitahiana, fahasoavana mahavelom-bolo ny mpino sady fitaomana ny tsy mino na ny misalasala mba hiverina amin'ny Tompo ny fiderana Azy.
- nitomany i Jesoa. Fantatr’i Jesoa tao am-pony ny fahadisoan-kevitr’ireto olona manofahofa sampan-drofia sy mihoby Azy, satria nanantena Mesia ara-nofo ireo, fa tsy Mesia ara-panahy. Mavesatra ao anatiny ny fahitany sahady ny loza hanjo an’i Jerosalema. Nanomboka teo ka mandrapahafatiny dia tena ory tokoa i Kristy.
Fotoana anehoana tokoa izao fa mendrika ny Tompo mpanavotra antsika ny fiderana Azy toy izao. Ary mahazo tombony isika fa Jesoa dia efa Mpanjakan'ny mpanjaka ary Tompon'ny tompo, mipetraka any an-danitra, eo ankavanan'ny Ray ka feno izany ny fo amam-panahiny.

Manao ahoana isika any amin'ny fiaraha-monina any, ao an-tokan-trano ao? Miresaka an'i Jesoa ve, mamaky andalan-tSoratra Masina ahafatarana bebe kokoa ny tantarany sady hiainana izany va?
Ny famonjena dia efa vitany ho antsika. Aoka tsy ho sanatria hatsatso na handalo fotsiny izany.
Jesoa Tompo dia tsy mba manatsatso velively ny maha isika antsika fa amin'ny fotoana rehetra dia manome malala antsika ny safidy amin’ny maha-olona antsika izy hanao ny tiantsika atao rehetra.
Enga anie mba ho toy ilay Jerosalema niakarany ny tokantraniontsika sy y fon’ny tsirairay ao  iresahany : mila fo malefaka toy ny an’ny zana-boriky mankatoa Izy
Aza variana amin'ny fitiavana ny eto an-tany.
Ohatra vitsivitsy : - na ho an'ireo mpankafy hira, na ho an’ireo tia mamaky teny, na ho an’ireo tia mivavaka : ankalazao i Jesoa Tompo, Andriamanitra tonga nofo nanolotra ny ainy nividy ahy sy anao tamin’ny rà soany

 ALAKAMISY Io andro niarahan’i Jesoa nisakafo farany tamin’ny mpianatra.  Tamin’io no heverina fa nihinanany ny Paska farany ary nanorenany ny Fanasan’ny Tompo.

Dia ny fanasitranana ny fahantrana, fahazaran-dratsy, aretina...izay mahazo ireny olona ireny ka ento eo amin'i Jesoa izi ireo mba hangetaheta ka ho tia an'Andriamanitra ary hositranina. Ny tontolon'Andriamanitra sy ny Fanjakany dia ny tsara indrindra. Koa alaivo an-tsaina ny hoe: manao ahoana isika raha hankany any an-danitra? Koa lanjalanjao tsara ary ny fomba firesaka amin'ny hafa momba ny Tompo mba hanome aina ny fiainam-panahin'izy ireo. Amena!

mardi 19 février 2013

Anjarasoa 6


Lioka 4. 1-13


Mandresy ny fakam-panahy ny zanak’Andriamanitra.

Ity texte ity dia milaza ny nakàn’ny devoly fanahy an’i Jesosy tany an’efitra. Vao avy natao batisa Jesosy eto, nandre an’ Andriamanitra Ray niteny taminy hoe :“Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany”.

Dia nentin’ny Fanahy tany an’efitra Izy ary nalain’ny devoly fanahy tany. Toerana mangina fihaonana amin’Andriamanitra ny efitra no toerana tian’ny devoly hakàna fanahy ny zanak’Andriamanitra koa. Ka dia tonga ny devoly naka fanahy an’i Jesosy.

Zavatra telo no nakàny fanahy Azy : ny hanina, ny fahefana sy voninahitra ary ny fiheveran-tena ho zavatra.

Fakam-panahy voalohany : ny hanina


Fantatry ny devoly fa noana Jesosy satria tsy nihinan-kanina nandritra ny 40 andro ka dia tamy izy. “Raha zanak’Andriamanitra Ianao dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto”. Ny fakam-panahy eto dia ny andàvana ny tenin’Andriamanitra vao reny tsy ela akory teo amin’ny batisa ary ny hanina, ny kibo no fitaovana nampiasain’ny devoly handavoana an’i Jesosy.

Tsy ny fanovàna ny vato ho tonga mofo no hahatonga an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra fa ny tenin’Andriamanitra nilaza taminy fa Zanak’Andriamanitra Izy.

Jesosy nitodika tany amin’ny Rainy, natoky ny Rainy, ary mahafantatra fa ny fiainany, ny fahavelomany, ny maha Izy Azy manontolo dia raisiny avy amin’ny Rainy. ”Tsy ny mofo ihany hoy Izy no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”.

Ny manova ny vato ho mofo ve dia tsy ho vitan’i Jesosy? Ny zanak’Israely tany an’efitra aza nihinana ny mana avy tany an-danitra. Ny tenany aza ho atolony hohanin’izao tontolo izao afaka fotoana fohy raha ny fotoana nisehoan’ny tantara no jerena. Fa ny hobaikoin’ny devoly sy ny hihodina amin’Andriamanitra no tsy ho ataon’i Jesosy na oviana na oviana!

Fakam-panahy faharoa : ny fahefana sy ny voninahitra

Tian’ny olona io, ka dia avy koa ny devoly hitsapa an’i Jesosy. “Omeko Anao izao fanapahana sy fanjakana rehetra izao fa ahy daholo ireo raha hiankohoka eto anatrehako Ianao”. Jesosy tsy hanaiky ny devoly na oviana na oviana!

Zanak’Andriamanitra Izy, izay an’Andriamanitra rehetra dia Azy avokoa. Izao ary rehetra izao dia asan-tanan’Andriamanitra avokoa. Jesosy koa dia niara-nahary izao rehetra izao tamin’Andriamanitra Ray (Kol 1.16). Koa dia tompon’izao ary rehetra izao koa Izy.

« Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao ary izy irery ihany no hotompoinao» hoy Jesosy. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra Rainy na oviana na oviana Izy.

Fakam-panahy fahatelo : ny fiheveran-tena ho zavatra

Tena mahery ianao raha mianjera avy ety antampon’ny tempoly ety ka tsy maninona hoy ny devoly. Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao. Tena miaro Anao tokoa Andriamanitra.

Ity fakam-panahy fahatelo ity dia fitarihana an’i Jesosy hanery an’Andriamanitra, hanaporofo ny fiarovany ny Zanany. Izany ve dia tsy ho vitan’Andriamanitra. Teny indraim-bava fotsiny anie no nanaovany ny habakabaka dia nisy e, ary mbola miasa sy mifehy ny tontolo Izy, fa ny hanery ny Rainy hanatanteraka ny sitrapon’Ilay ratsy no tsy hataon’i Jesosy.

Jesosy koa tsy mila an’Andriamanitra hanao zavatra mahatalanjona vao hahalala fa Zanak’Andriamanitra Izy. Ampy ho  Azy ny tenin’Andriamanitra “Zanako Ianao”! ka dia hoy Izy tamin’ny devoly “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao”

Mahay Soratra Masina ny devoly fa tsy miaina amin’izany.

Ny mampiavaka ity fakam-panahy ity amin’ireo roa etsy ambony dia mba nampiasa tenin’Andriamanitra koa ny devoly eto. Nahita an’i Jesosy nampiasa tenin’Andriamanitra hatrany izy dia mba nanao toy izany koa.

Hainy tsianjery tsara ny Salamo 91. 11-12 “Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao; fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”

Fetsy anie ity devoly ity reolona e! Mody mampiasa andinin-tSoratra Masina ny sasany hamitahana, hangejana olona sy hananana fahefana aminy, mampiasa Soratra Masina ny sasany hitsarana ny hafa. Mody manao vavaka be, tsara lahatra feno andinin-tSoratra Masina ny sasany nefa ao ambadika filàn-tsitraka, fihatsaram-belatsihy sy fanaronana ny ratsy atao. Dia tsy fantatrao intsony izay marina sy diso. Fomban-devoly daholo izany rehetra izany!
Iainana ny tenin’Andriamanitra ry havana fa tsy hamonoana ny tena na hamonoana ny hafa!

Ny fanalahidin’ny fandresen’i Jesosy dia ny fananany firaisam-piainana tanteraka amin’Andriamanitra Ray.

Ny fanalahidin’ny fandresen’i Jesosy ny fakam-panahy dia ny fitohofany aina tanteraka amin’ny Rainy. Tsy mifandahatra amin’ny devoly ny manana fitohofan’aina amin’Andriamanitra!

Jesosy velona ao amin’ny Ray ary ny Ray velona ao Aminy. Mifamponina Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy. Vokatr’izany fitohofany aina amin’ny Rainy izany, ny tenin’Andriamanitra nitokiany sy nampiasainy namaliany ny devoly dia teny velona, teny manankery, maranitra noho ny sabatra roa lela ka dia niala maina ny devoly.

Araka izany, dia nandao an’i Jesosy aloha izy hoy ny fitantaran’i Lioka eto, izany hoe mbola hiverina ao aoriana ao. Izany fiverenany izany dia teo amin’ny nisamborana an’i Jesosy sy ny nanombohana Azy teo amin’ny Hazo fijaliana. Veloma daholo ny aina ry havana handre ny vokatr’izany amin’ny Paska.

Ny fandresen’ny mino dia ny fiankinany amin’ny fandresen’i Kristy sy ny fiainany amin’ny tenin’Andriamanitra.

Tsy ny fahaizana tenin’Andriamanitra no handresena ny fakam-panahy fa ny fiainana amin’izany.
Ny fananana firaisam-piainana tanteraka amin’Andriamanitra no hahalalana fa fitaka be ny teny lazain’ny olona sasany aminao na dia feno andinin-tSoratra Masina aza.

Ankoatra izay, ny mino dia tsy miankina amin’ny herin’ny tenany izay tsy toa inona akory manoloana an’i Satana fa miankina tanteraka amin’i Kristy sy ny heriny.

Ny fandresen’ny mino dia ny fitohofany aina tanteraka amin’i Kristy Mpandresy. Ny fandresen’ny mino dia ny fananany firaisam-piainana tanteraka amin’Andriamanitra izay nanangana azy ho zanaka tao amin’i Kristy tamin’ny alalan’ny batisa.

Ampy ho antsika ry havana ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Tsy hivadika Aminy isika na dia raviraviana zavatra toa tsara sy mamiratra aza. Mahereza, matokia fa azo antoka Andriamanitra sy ny fitiavany! Miady ho antsika ary mampandresy antsika Izy.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Naina ANDRIALAMPISON
Mpitandrina ny Tafo




dimanche 20 janvier 2013

Anjarasoa 5


Apok 1. 4, 5a « … Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy ; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny seza fiandrianany ; ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. »

Amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao, dia izany teny nampitondrain’Andriamanitra ny apostoly Jaona ho an’ny fiangonana fito tany Asia (Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, Laodikia) izany no entina miarahaba sy mampahery ny fiangonana manontolo. Ho aminareo tsirairay avy sy ny ankohonanareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra mandritra ity taona vaovao ity sy ny manaraka hifandimby koa.

Iza no tsy mila izany fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra izany? Iza no tsy maniry izany? Mila sy maniry izany ny isam-batan’olona, ny ankohonana tsirairay, ny fiangonana manerana ny tany.

Koa dia tonga amin’ilay fiteny manao hoe : “masa-bary mainto kitoza ka ny tiako no tiany”, isika izany, satria ny isa fito araka ny Baiboly dia manambara fahafenoana. Izany hoe, izao “fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra” izao dia tsy natao ho an’ireto fiangonana voatonona etsy ambony ireto ihany akory fa ho an’ny fiangonana rehetra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra manerana ny tany.

Araka izany dia tononina ihany koa izao tso-drano izao tsy ho an’ny FPMA Orléans ihany fa ho an’izay rehetra mitsidika izao tranonkalan’ny fiangonana izao koa.

Inona no tian’i Jaona holazaina amin’izany hoe fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra izany?

 Raha ny bokin’ny Apokalypsy no jerena, ny fiangonana dia :

-          fiombonan’ny olom-boafidin’Andriamanitra (Apok 1. 5b; 19. 7-9)
-          fiantefan’ny fitiavan’Andriamanitra (Apok 1. 5b)
-          novonjen’i Kristy tamin’ny ràny (Apok 1.5b ; 5. 9)
-          nataon’Andriamanitra ho fanjakam-pisorona (Apok 1. 6 ; 5. 10)
Amin’ny teny hafa, ny azo ilazana azy dia izao : Andriamanitra manamarina izay tsy azo hamarinina, Andriamanitra tia izay tsy azo tiavina ary izay heverin’ny olona ho tsinontsinona, Andriamanitra mila azy.

Izany no fahasoavana,  tsy avy amin’ny fahatsaran’ny fiangonana na ny fahendreny  (Smyrna, Filadelfia ohatra) na ny fahadalany sy ny ditrany (Laodikia ohatra) akory fa avy amin’Andriamanitra irery ihany.

Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra kosa indray dia vokatry ny famelan-keloka. Ao amin’izay misy famelan-keloka no misy fiadanana sy famonjena. Izany famelan-keloka izany dia miorina indrindra amin’ny Hazo fijalian’i Kristy, izany hoe miorina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ary ao amin’izay misy fahotana kosa, izany hoe tsy fihavanana amin’Andriamanitra, no misy fankahalana sy ady sns...


Araka izany, ny fahasoavana no loharano ipoiran’ny fiadanana. Tsy fiadanana anaty ihany fa fiadanana iainana ao amin’ny fiangonana sy eo amin’ny fiaraha-monina koa.

“Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra” dia midika ho fanekena an’Andriamanitra ho antoka sy fototry ny fahavelomana sy fanoloran-tena ho Azy tanteraka.

Koa raha miteny i Jaona hoe : “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra » dia tsy fahazarana fotsiny atao amin’ny fiatombohan’ny taratasy soratana akory izany, fa firarian-tsoa izay manondro ny fitiavan’Andriamanitra ny fiangonana ka namonjeny azy tao amin’i Jesosy Kristy. Midika koa ho fampaherezana ny fiangonana mba haharetany amin’ny finoana sy ny fijoroany ho vavolombelon’ny Tompo na mafy aza ny fanenjehana. Marihina fa, ireto fiangonana voalaza etsy ambony ireto dia niaritra ny fanenjehan’ireo jiosy tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia.

Porofom-pitiavan’Andriamanitra ny fiangonana sy izao tontolo izao izao fanomezana maimai-poana izao. Tena tia ny olona rehetra hovonjena Andriamanitra!
Ny olona mahatsapa ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra azy, ny olona mahatsapa ny hasarobidin’ny fampihavanana nataon’i Kristy ho azy teo amin’ny Hazo fijaliana tamin’Andriamanitra Ray no afaka manolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Manolotra ny androny sisa, ny tena sy fananany sy ny momba azy rehetra ho an’Andriamanitra. Miezaka ny ho tia an’Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra izy.  Mangataka mandrakariva amin’ny Tompo io fitiavana io izy mba hitiavany an’Andriamanitra.

Etsy andanin’izany, ho antsika fiangonana ankehitriny, ankoatry ny fanenjehana avy any ivelany toy ny nahazo ireto fiangonana tany Asia ireto, dia ao koa ny fanenjehana avy ao anatin’ny fiangonana, avy ao anatin’ny mino : fanekena an’Andriamanitra amin’ny vava ohatra fa fandavana ny heriny ; fikatsahana zavatra hafa izay heverina ho tsara sy ho ambony mihoatra ny maha-zanak’Andriamanitra ohatra ; fangatsiahana ara-pinoana ohatra, sady tsy mafana no tsy mangatsiaka sns… Fahavalon’ny finoana marina sy ny fiangonana daholo izany.

Koa amin’izao fiandohan’ny taona izao, dia tsara sy mendrika tokoa raha misaotra sy mankasitraka an’Andriamanitra isika noho ny fitiavany antsika, noho ny fahasoavana sy ny fiadanana omeny antsika. Tsara sy mendrika tokoa raha raisina an-tanan-droa izao fanomezana atolony izao. Ny tànana andraisana izany dia ny finoana. Tsy hiady hevitra amin’Andriamanitra fa avy hatrany dia hiantoraka eo am-pototry ny Hazo fijalian’i Kristy hifona tanteraka (ny tsirairay no mahalala ny tenany) ary vonona ny handeha sy hamoa araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao sisa izao. 

Izany ny fototry ny fiadanana. Tsy misy fiadanana raha tsy misy famelan-keloka. Tsy misy famelan-keloka raha tsy misy fifonana sy fanekena tanteraka ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy, izay ampy antsika tokoa.

Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no miasa ka iza no hahasakana Azy?

Ambaran’i Jaona fa izany fahasoavana sy fiadanana izany dia avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny seza fiandrianany ; ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. Koa raha Andriamanitra no miasa iza no hahasakana Azy?

Araka izany dia :
- azo antoka ny famonjen’Andriamanitra fa Vavolombelona marina Kristy. Vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao Izy. Manamporofo izany indrindra ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ary amin’ny maha-Kristy nitsangana tamin’ny maty Azy dia marina Izy ka maniraka vavolombelona mahatoky, vavolombelona mpitory ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fiadanany ao amin’ny fiangonana sy eo amin’ny fiaraha-monina.

- azo antoka fa ny fiangonana dia omen’Andriamanitra hery sy fitiavana noho ny asan’Ilay Fanahy fito dia ny Fanahy Masina izany (ny isa fito dia manambara fahafenoana), amin’ny fijoroany ho vavolombelon’i Kristy mba hahatonga azy ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana.

- azo antoka fa tsy hitsanga-menatra ny fiangonana satria ny tompony, Jesosy Kristy, no tompon’ny hery sy fahefana rehetra mba hamonjy ny olona rehetra ary hitsara koa ireo tsy mino na dia ny mpanjakan’ny tany aza.

- azo antoka fa “ny mino na dia maty aza dia ho velona indray” ary izany fahavelomany izany dia tsy hanam-pahataperana. Santatr’izany fahavelomana tsy manam-pahataperana izany Jesosy Kristy ilay nitsangana tamin’ny maty voalohany. Izany no fanantenana sy fototra iorenan’ny finoan’ny mino. Azo antoka fa mbola ho avy ny andro izay hananganan’Andriamanitra azy amin’ny fotoana voatendriny ho amin’izany ka hitoerany mandrakizay ao amin’Andriamanitra ao amin’ny fifalian’ny lanitra.

- ary farany dia azo antoka ny asan’Andriamanitra sy ny toky omeny. Efa hatrizay hatrizay Andriamanitra (Ilay taloha) ary mbola velona sy miasa hatrany ankehitriny ary ho mandrakizay.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Naina ANDRIALAMPISON, Mpitandrina ny Tafo

jeudi 27 décembre 2012

Anjara soa 4


KRISMASY 2012


Matio 2, 1-12 ; Lioka 2, 1-20


Miarahaba antsika rehetra ry havana tratra izao Krismasy 2012 izao. Krismasy fetin’ny mino, Krismasy fetin’ny kristiana, fetin’ny fiangonana. Andron’ny fifanolorana cadeaux.

Araka ny fanadihadiana nataon’ny institut Conseils – Sondages - Analyses (CSA) dia i Frantsa no firenena mankamamy indrindra ity fifanolorana cadeaux ity aty Europa satria vola mitentina miliara vitsivitsy no lany amin’izany cadeaux de noël izany eto Frantsa isan-taona. Io institut CSA io ihany koa no milaza fa frantsay 9 amin’ny 10 dia maniry fatratra te hahalala ny tena dikan’ny Krismasy. Angamba hoy izy ireo tsy resaka commercial fotsiny izany Krismasy izany. Inona marina tokoa moa ny dikan’ity  krismasy ity?

Raha jerentsika ny textes roa Mat 2, 1-12 sy ny Lio 2, 1-20 izay ireo ihany no textes mitantara ny fahaterahan’i Jesosy ao amin’ny Baiboly, dia samy milaza fa Andriamanitra Ray dia nanolotra ny Zanany Lahitokana ho cadeau ho an’izao tontolo izao. Nisy ny nandray sy nankasitraka izany cadeau izany, fa tao koa ny nandà, nikasa hamono Azy mihintsy aza.

Ny finoana dia ny fandraisana  ity cadeau ity


Isan’izay nandray sy nankasitraka ity cadeau ity :

-          I Josefa. Rehefa nahalala izy fa bevohoka i Maria fofombadiny dia nikasa ny hametraka azy mangingina satria fantany fa tsy avy aminy io zaza ao an-kibon’i Maria io. Natoky ny tenin’Andriamanitra anefa izy rehefa nilazàn’ny anjely fa io zaza io dia avy amin’ny Fanahy Masina ; ary dia nanaiky ny tenin’ny anjely hatramin’ny farany izy. Ataonao hoe Jesosy ny anarany hoy ny anjely satria Izy no hamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahotany (Mat 1, 21).

-          I Maria. Nanaiky koa ny tenin’Andriamanitra izay nolazain’ny anjely Gabriela taminy, fa io zaza aterany io dia avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy hafa io zaza io fa Zanak’Andriamanitra (Lio 1, 31). Ary ny anarany dia nasainy natao koa hoe Jesosy.

-          Ny mpiandry ondry. Rehefa nilazàn’ny anjely hoe : “Aza matahotra, fa indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida dia Kristy Tompo” dia lasa nizaha izany zavatra izany.  Nampiely izay hitany sy izay nolazaina taminy izy ireo avy eo. Io zaza io no Mpamonjy, io no Kristy, io zaza io koa dia Tompo izany hoe: Andriamanitra. Ary nankalaza sy nidera an’Andriamanitra izy ireo noho izany.

-          Ireo Magy 3 lahy. Rehefa notarihin’ny kintana avy any atsinanana dia tonga niankohoka teo amin’i Jesosy ary nanolotra fanomezana ho Azy dia volamena, zava-manitra ary miora. Ny volamena dia entina ilazana fa ity zaza ity no tompon’ny harena rehetra ; Ity zaza ity no mpanjakan’izao tontolo izao. Ny zava-manitra dia midika fa Andriamanitra dia manatrika eo. Nanaiky ireto Magy ireto fa Andriamanitra Jesosy. Ny miora dia ahosotra amin’ny olona hajaina ary koa ahosotra amin’ny maty. Filazana  sahady izany fa ity Jesosy ity dia ho faty any aoriana any. Ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana no tiany hambara amin’izany.

Amin’ny teny tsotra dia hoe na i Josefa na i Maria na ny mpiandry ondry na ny Magy dia nanaiky ny tenin’Andriamanitra, natoky ny tenin’Andriamanitra ary nanatanteraka ny tenin’Andriamanitra, nandray ity cadeau nomen’Andriamanitra azy ireo ity.  Nino izy ireo fa Jesosy no Kristy, Jesosy dia Zanak’Andriamanitra, io no Mpamonjy izao tontolo izao.

Ny finoana an’i Kristy no miteraka ny fiangonana izay tsy hafa fa fiombonan’ny mino

Araka izany, teo amin’ity Krismasy voalohany ity, ny zava-misy dia izao :
 Andriamanitra nanome ny Zanany ary ny mino nanolotra ny fony ho an’Andriamanitra. Mifanolotra cadeaux Andriamanitra sy ny mino Azy.

Raha eo amin’ny fiaraha-monina, ny fifanolorana cadeaux dia miteraka fifaliana, mampitombo ny fifankatiavana, mampaharitra ny fihavanana.

Fa eto kosa, ny vokatry ny fifanoloran’Andriamanitra cadeaux tamin’ireto olona ireto dia ny fahaterahan’ny fiangonana.

Ny tenin’Andriamanitra no fototra iorenan’ny fiangonana

Marihina fa, ny Jesosy fantatr’ireto olona ireto (Maria, Josefa, mpiandry ondry, magy) na ny marimarina kokoa, ny Jesosy nampahafantarina azy ireto, dia tsy Ilay Jesosy ara-tantara akory fa Ilay Teny, i Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy izany hoe Ilay ho faty eo amin’ny Hazo fijaliana sy Ilay hitsangana amin’ny maty.

Tsy fantatr’ireto olona ireto akory hoe izy ireo anie ka fiangonana e ! satria ny fiangonana dia tsy avy amin’ny sitrapon’ny olombelona akory na avy amin’ny kajikajy ataon’ny olona fa Andriamanitra no tompo-marika amin’ny fanorenana fiangonana. Jesosy Kristy, Ilay Teny tonga nofo, no fototra iorenan’ny fiangonana.

Efa taty amin’ny taonjato faha-16 ry Calvin sy ry Lotera vao nanome famaritana mazava ny amin’ny atao hoe fiangonana : ny fiangonana hoy izy ireo dia fiombonan’ny olona mino an’i Kristy ary ny Tenin’Andriamanitra no fototra iorenany.

Ny fiangonana dia mahasahana ny toerana rehetra amin’ny olona rehetra sy ny fotoana rehetra fa tsy toy ny tamin’ny andron’ny zanak’ Israely intsony.

Ny filazana fa ny fiangonana dia miorina amin’Ilay Teny tonga nofo, Jesosy Kristy, dia milaza fa ny fiangonana dia sady manohy no manapaka ihany koa amin’ny zanak’Israely. Ny zanak’Israely dia tsy iza fa ireo vahoakan’Andriamanitra tao amin’ny fanekena taloha : ny zanak’Israely ihany no nanana anjara tao amin’Andriamanitra.

Ankehitriny kosa, ny faneken’Andriamanitra dia ao amin’i Jesosy Kristy. Araka izany, ny fiangonana dia manerana izao rehetra izao satria ny asan’i Kristy dia manerana izao rehetra izao. Manambara izany indrindra ity fiangonana ity : nisy lahy, vavy, lehibe, olon-tsotra (Maria dia tambanivohitra, Josefa dia mpandrafitra), zaza, tao koa ireo olona nahilikiliky ny fiaraha-monina tamin’izany fotoana izany toy ny mpiandry ondry, nisy koa olona manan-kaja : afaka niditra tao an-dapan’ny mpanjaka sy afaka niresaka taminy toy ny Magy. Ireto Magy ireto koa dia olona manam-pahaizana (astronomes, isan’ny siantifika tamin’ny fotoan’androny) no sady vahiny (tsy jiosy).

 Araka izany, tamin’ity fiangonana ity dia tsy nisy fanavakavahana na ara-pari-piainana, na ara-pahalalana, na ara-pihaviana, na ara-tsokajin-taona, tsy nisy fanavakavahana hoe lahy na vavy.

Ireto fiangonana ireto dia tsy niady hevitra tamin’Andriamanitra fa nanaiky tsotra ny teniny, tsy be resaka fa nahita dia niankohoka, tsy nanao tsinontsinona ny hafa : izahay astronomes/ianareo mpiandry ondry ; izahay lahy/ ianareo vavy ; izahay no tena izy satria izahay no niteraka azy/ianareo tsinontsinony akory ; izahay tompon-tany /ianareo vahiny sns...

Tsy nisy izany, fa Andriamanitra no banjinina. Raha Andriamanitra no nanao izao, raha Andriamanitra no nifidy ny tsirairay ho fiangonana, iza moa aho no hiteny hoe tsy mety izao na hilaza hoe ianao tsy tokony ho isan’ny fiangonana?

Inona ny zava-nisy tamin’izany fotoana izany no nijoro izao fiangonana izao?

Tany Betlehema no niseho ny tantara. Araka ny baikon’ny Emperora Romana Aogosto Kaisara dia nasaina niakatra ho any Betlehema i Josefa sy i Maria mba hisaina satria Galilia tanàna fihavian’izy ireo dia teo ambany fanapahan’ny Romana. Araka izany, dia feno vahoaka tao Betlehema. Izany koa no antony anankiray nahafeno ny hotely fandraisam-bahiny tao, ka dia tranon’omby sisa no nitoeran-dry Maria sy Josefa.

Tamin’ireo vahoaka vory sy nifamezivezy tao Betlehema ireo dia :

-          Nisy ny nikasa ny hamono an’i Jesosy : Heroda mpanjakan’i Jerosalema. Nahalala ny tenin’Andriamanitra izy fa tsy nahoany akory izany. Ny fiarovana ny sezany no masaka tao an-tsainy. Rehefa hitanareo hoy i Heroda mantsy ny Magy izay toerana nahaterahan’izany zaza izany dia mba hilazao izahay mba handehananay any koa. Nefa tetika mba hahitany ilay zaza fotsiny izany, ary ny tanjony dia ny hamono Azy.

-          Nisy ireo nahalala ny tenin’Andriamanitra fa tsy niaina tamin’izany : ireo mpisorona sy mpanora-dalàna. Nampiasa ny tenin’Andriamanitra izy ireo ho fitaovana teo am-pela-tanan’ny Mpanjaka hisamborana sy hamonoana an’i Jesosy. Izy ireo no nanontanian’i Heroda ny amin’izay lazain’ny Soratra Masina mikasika ity zaza teraka ity. Dia namerina izay voalazan’ny mpaminany Mika 5, 1 izy ireo. Nanaiky ny tenin’ny olona mihoatra ny tenin’Andriamanitra izy ireo.

-          Tao koa ireo olona izay tsy nahalala mihintsy ny tenin’Andriamanitra, dia ireo olona nitoetra tany amin’ny firenen-kafa, iray fihaviana tamin’ireto Magy ireto ohatra.

-          Tao koa ireo olona lavitra an’Andriamanitra. Araka ny voalaza dia tamin’ny andro alina no niseho izao vaovao izao. Ny Salamo 104, 20-23 dia milaza fa ny alina dia fotoana ivoahan’ny bibidia masiaka mitady hanina. Entina ilazana izany fa maro ny olona no rembin’i Satana tamin’izany andro izany ka mila ny mazava.

-          Tao koa ireo olona, miaina fotsiny toy izao. Miaina toy ny tsy misy Andriamanitra.

-          Tao koa ireo olona izay tsy nanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia, ho ilay Voahositra, ho Ilay  Mamonjy izao tontolo izao.

Tao anatin’izany toe-javatra izany no niposaka ny mazava, teraka Jesosy Kristy Mpamonjy, nijoro koa izao fiangonana izao.

Andriamanitra : tompon’ny tena  fiainana

Ny hafatra nasain’Andriamanitra nambaran’ireto fiangonana ireto dia iray ihany :
Tsy nanana antony hafa nahatongavana tany Betlehema i Jesosy afa-tsy ny ho faty any Golgota  sy hitsangana amin’ny maty ; tsy nanana antony hafa nahatongavana tety ambonin’ny tany Jesosy afa-tsy ny hamonjy izao tontolo izao.

Ny famonjena hambara eto dia sady fanafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana no fanomezana fiainana vaovao ihany koa.

Izany fiainana vaovao izany dia velomin’ny fanantenana fa hifarana ao amin’Andriamanitra rahatrizay. Izany no maha Kristy ity zaza teraka ity, Izany  no maha Andriamanitra ity zaza teraka ity :  sady tsy araka izay heverin’ny olona no manao zava-baovao ihany koa. Andriamanitra ve dia ho faty, izany no fihevitry ny olona. Manao zava-baovao satria avy Aminy no nahalalan’ireto olona ireto (Maria, Josefa, ny mpiandry ondry sy ny Magy) sy ninoany fa Jesosy dia Kristy sy Zanak’Andriamanitra ary ny mission-ny dia ny hamonjy ny olona.

Izany no hafatry ny Krismasy : Jesosy tia ny olona rehetra, te hamonjy ny olona rehetra Izy na dia ireo nikasa hamono Azy aza, na ireo mampiasa ny tenin’Andriamanitra ho fiarovana ny tombontsoany aza, na ireo hafa firenena aza ,  na ireo voangejan’Ilay ratsy aza, na ireo tsy nahalala mihintsy ny tenin’Andriamanitra aza, na ireo manao an’Andriamanitra ho tsy misy aza, na ireo tsy manaiky Azy ho Kristy aza.

Na iza na iza dia tian’Andriamanitra ho entin’i Jesosy Kristy hiverina any Aminy.

Ny fifalian’Andriamanitra dia ny fandraisana ny cadeau omeny

Ny fiangonana, ny mino no nametrahan’Andriamanitra izany hafatra izany. Adidin’ny fiangonana ny mitory izany fitiavan’Andriamanitra izany. Adidin’ny fiangonana ny mitarika ny olona hanao takalo, hanolotra cadeau ho an’Andriamanitra ho setrin’ny Zanany.

Raha eto amin’izao tontolo izao dia zavatra mitovitovy sanda no ifanakalozana : vary 1 kg ohatra atakalo hena ½ kg, fiara iray ohatra atakalo vola 20.000 euros.

Ny fifanakalozana amin’Andriamanitra kosa anefa tsy mba toy izany, satria na oviana na oviana dia tsy hisy hitovy sanda amin’i Jesosy Kristy.

Ny tian’Andriamanitra ho takalon’ny Zanany dia fanoloran-tena antsitrapo ho Azy tanteraka.

Ny tiana holazaina amin’ny hoe takalo dia fanekena Azy tsotra. Inty Aho Andriamanitro ô manaiky Anao. Misaotra Tompoko noho ny cadeau nomenao sy ny fitiavanao.

Ny tiana holazaina amin’ny hoe takalo dia fanekena tsotra satria Andriamanitra tsy manery na iza na iza hanaiky Azy na dia te hamonjy ny olona rehetra aza .

Tsy manery Andriamanitra fa manambitamby : “ Izaho anie tia anao e”, “Izaho anie avy mba hanananao fiainana e sady hanananao be dia be e”.

Fitiavana tsy misy fetra ny fitiavan’Andriamanitra ny fiangonana

Tonga teto an-tany Jesosy satria te hiombom-piainana amintsika olombelona Andriamanitra.

Tonga teto an-tany Jesosy mba hananantsika toky fa tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

Tonga teto an-tany Jesosy mba handraisantsika feno sy tanteraka fiainana vaovao ao amin’Andriamanitra.

Tonga teto an-tany Jesosy nandrava ny efitry ny fifandrafiana amintsika samy olombelona.

Tonga teto an-tany Jesosy nitondra ny fanjakan’Andriamanitra  ho antsika, ka ankehitriny dia mahazo mahatoky isika fa tsy irery eo am-pamakivakiana ity fiainana ity fa monina amintsika Izy.

Tonga teto an-tany Jesosy mba hitondra antsika koa ho any amin’Andriamanitra Ray rahatrizay.
  
Izao fahatongavantsika hidera Azy amin’izao Krismasy izao dia tsy hafa fa toy izay nataon’i Maria sy Josefa ary ny mpiandry ondry sy ny Magy nandray ilay cadeau nomen’Andriamanitra azy ireo. Koa mifalia fa teraka ao am-ponao Jesosy Kristy Tompo! Arahabaina isika rehetra fa tratry ny Krismasy tokoa!

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Naina ANDRIALAMPISON
Mpitandrina ny Tafo