Apok
1. 4, 5a « … Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay
ankehitriny sy taloha ary ho avy ; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo
anoloan’ny seza fiandrianany ; ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona
marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. »
Amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao, dia izany teny
nampitondrain’Andriamanitra ny apostoly Jaona ho an’ny fiangonana fito tany
Asia (Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, Laodikia) izany
no entina miarahaba sy mampahery ny fiangonana manontolo. Ho aminareo tsirairay
avy sy ny ankohonanareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin’Andriamanitra mandritra ity taona vaovao ity sy ny manaraka hifandimby
koa.
Iza no tsy mila izany fahasoavana sy
fiadanana avy amin’Andriamanitra izany? Iza no tsy
maniry izany? Mila sy maniry izany ny isam-batan’olona, ny ankohonana
tsirairay, ny fiangonana manerana ny tany.
Koa
dia tonga amin’ilay fiteny manao hoe : “masa-bary mainto kitoza ka ny tiako no
tiany”, isika izany, satria ny isa fito araka ny Baiboly dia manambara
fahafenoana. Izany hoe, izao “fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra”
izao dia tsy natao ho an’ireto fiangonana voatonona etsy ambony ireto ihany
akory fa ho an’ny fiangonana rehetra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana
rehetra manerana ny tany.
Araka
izany dia tononina ihany koa izao tso-drano izao tsy ho an’ny FPMA Orléans
ihany fa ho an’izay rehetra mitsidika izao tranonkalan’ny fiangonana izao koa.
Inona no tian’i Jaona
holazaina amin’izany hoe fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra izany?
Raha ny bokin’ny Apokalypsy no jerena, ny fiangonana dia :
-
fiombonan’ny olom-boafidin’Andriamanitra (Apok 1.
5b; 19. 7-9)
-
fiantefan’ny
fitiavan’Andriamanitra (Apok 1. 5b)
-
novonjen’i
Kristy tamin’ny ràny (Apok 1.5b ; 5. 9)
-
nataon’Andriamanitra
ho fanjakam-pisorona (Apok 1. 6 ; 5. 10)
Amin’ny teny hafa, ny azo ilazana azy
dia izao : Andriamanitra manamarina izay tsy azo hamarinina, Andriamanitra tia
izay tsy azo tiavina ary izay heverin’ny olona ho tsinontsinona, Andriamanitra
mila azy.
Izany no fahasoavana, tsy avy amin’ny fahatsaran’ny fiangonana na
ny fahendreny (Smyrna, Filadelfia
ohatra) na ny fahadalany sy ny ditrany (Laodikia ohatra) akory fa avy amin’Andriamanitra
irery ihany.
Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra kosa indray dia vokatry ny famelan-keloka. Ao amin’izay misy famelan-keloka no misy fiadanana sy famonjena. Izany famelan-keloka izany dia miorina indrindra amin’ny Hazo fijalian’i Kristy, izany hoe miorina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ary ao amin’izay misy fahotana kosa, izany hoe tsy fihavanana amin’Andriamanitra, no misy fankahalana sy ady sns...
Araka
izany, ny fahasoavana no loharano ipoiran’ny fiadanana. Tsy fiadanana anaty
ihany fa fiadanana iainana ao amin’ny fiangonana sy eo amin’ny fiaraha-monina
koa.
“Ho
aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra” dia midika
ho fanekena an’Andriamanitra ho antoka sy fototry ny fahavelomana sy
fanoloran-tena ho Azy tanteraka.
Koa
raha miteny i Jaona hoe : “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin’Andriamanitra » dia tsy fahazarana fotsiny atao amin’ny
fiatombohan’ny taratasy soratana akory izany, fa firarian-tsoa izay manondro ny
fitiavan’Andriamanitra ny fiangonana ka namonjeny azy tao amin’i Jesosy Kristy.
Midika koa ho fampaherezana ny fiangonana mba haharetany amin’ny finoana sy ny
fijoroany ho vavolombelon’ny Tompo na mafy aza ny fanenjehana. Marihina fa,
ireto fiangonana voalaza etsy ambony ireto dia niaritra ny fanenjehan’ireo
jiosy tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia.
Porofom-pitiavan’Andriamanitra
ny fiangonana sy izao tontolo izao izao fanomezana maimai-poana izao. Tena tia
ny olona rehetra hovonjena Andriamanitra!
Ny
olona mahatsapa ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra azy, ny olona mahatsapa ny
hasarobidin’ny fampihavanana nataon’i Kristy ho azy teo amin’ny Hazo fijaliana
tamin’Andriamanitra Ray no afaka manolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra.
Manolotra ny androny sisa, ny tena sy fananany sy ny momba azy rehetra ho
an’Andriamanitra. Miezaka ny ho tia an’Andriamanitra mihoatra ny zavatra
rehetra izy. Mangataka mandrakariva
amin’ny Tompo io fitiavana io izy mba hitiavany an’Andriamanitra.
Etsy andanin’izany, ho antsika
fiangonana ankehitriny, ankoatry ny fanenjehana avy any ivelany toy ny nahazo
ireto fiangonana tany Asia ireto, dia ao koa ny fanenjehana avy ao anatin’ny
fiangonana, avy ao anatin’ny mino : fanekena an’Andriamanitra amin’ny vava
ohatra fa fandavana ny heriny ; fikatsahana zavatra hafa izay heverina ho
tsara sy ho ambony mihoatra ny maha-zanak’Andriamanitra ohatra ;
fangatsiahana ara-pinoana ohatra, sady tsy mafana no tsy mangatsiaka sns…
Fahavalon’ny finoana marina sy ny fiangonana daholo izany.
Koa amin’izao fiandohan’ny taona izao, dia tsara sy mendrika tokoa raha
misaotra sy mankasitraka an’Andriamanitra isika noho ny fitiavany antsika, noho
ny fahasoavana sy ny fiadanana omeny antsika. Tsara sy mendrika tokoa raha
raisina an-tanan-droa izao fanomezana atolony izao. Ny tànana andraisana izany dia ny
finoana. Tsy hiady hevitra amin’Andriamanitra fa avy hatrany dia hiantoraka eo
am-pototry ny Hazo fijalian’i Kristy hifona tanteraka (ny tsirairay no mahalala
ny tenany) ary vonona ny handeha sy hamoa araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao
sisa izao.
Izany
ny fototry ny fiadanana. Tsy misy fiadanana raha tsy misy famelan-keloka. Tsy
misy famelan-keloka raha tsy misy fifonana sy fanekena tanteraka ny
fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy, izay ampy antsika tokoa.
Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no miasa ka iza no hahasakana Azy?
Ambaran’i
Jaona fa izany fahasoavana sy fiadanana izany dia avy amin’Ilay ankehitriny sy
taloha ary ho avy; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny seza
fiandrianany ; ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy
Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. Koa raha
Andriamanitra no miasa iza no hahasakana Azy?
Araka
izany dia :
-
azo antoka ny famonjen’Andriamanitra fa Vavolombelona marina Kristy.
Vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao Izy. Manamporofo izany
indrindra ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ary amin’ny maha-Kristy
nitsangana tamin’ny maty Azy dia marina Izy ka maniraka vavolombelona mahatoky,
vavolombelona mpitory ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fiadanany ao amin’ny
fiangonana sy eo amin’ny fiaraha-monina.
-
azo antoka fa ny fiangonana dia omen’Andriamanitra hery sy fitiavana noho ny
asan’Ilay Fanahy fito dia ny Fanahy Masina izany (ny isa fito dia manambara
fahafenoana), amin’ny fijoroany ho vavolombelon’i Kristy mba hahatonga azy ho
mahatoky hatramin’ny fahafatesana.
-
azo antoka fa tsy hitsanga-menatra ny fiangonana satria ny tompony, Jesosy
Kristy, no tompon’ny hery sy fahefana rehetra mba hamonjy ny olona rehetra ary
hitsara koa ireo tsy mino na dia ny mpanjakan’ny tany aza.
-
azo antoka fa “ny mino na dia maty aza dia ho velona indray” ary izany
fahavelomany izany dia tsy hanam-pahataperana. Santatr’izany fahavelomana tsy
manam-pahataperana izany Jesosy Kristy ilay nitsangana tamin’ny maty voalohany.
Izany no fanantenana sy fototra iorenan’ny finoan’ny mino. Azo antoka fa mbola
ho avy ny andro izay hananganan’Andriamanitra azy amin’ny fotoana voatendriny
ho amin’izany ka hitoerany mandrakizay ao amin’Andriamanitra ao amin’ny
fifalian’ny lanitra.
-
ary farany dia azo antoka ny asan’Andriamanitra sy ny toky omeny. Efa hatrizay
hatrizay Andriamanitra (Ilay taloha) ary mbola velona sy miasa hatrany
ankehitriny ary ho mandrakizay.
Voninahitra
anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny
taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.
Naina
ANDRIALAMPISON, Mpitandrina ny Tafo