Présentation
Sampana natsangan’ny Rtoa
Lydia RAVALITERA tamin’ny fotoana nitandremany teto Orléans.
8 taona izao ny SVK Orléans ,
misy mpikambana 13 mirahavavy.
Birao : filoha,
mpitantsoratra, mpitatam-bola
Fivoriana ny asabotsy faha-efatry ny volana.
Manana kitapom-bola enti-miasa ka manao latsakemboka 2€ isam-bolana,
misy karatry ny sampana SvkO.
Rehefa manomana hetsika dia mihaona indr1 na indr2 / semaine araky ny
fandrosoan’ny fihomanana na fianarana.
Tanjona
sy asa
Manao asa soa eo anivon’ny fiangonana sy ny manodidina :
Eto an-toerana :
- fanampiana ny tanora, mpianatra
vahiny lavitra Ray aman-dReny
- fanampiana ny zokiolona
- fanampiana samihafa eo
amin’ny asa-mpiangonana FpmaO
- fiaraha-miasa amin’ny antoko
vehivavy kristiana manodidina (tafo rahavavy)
- fitsidihana sy fanampiana izay sahirana na tsy salama .
Any ivelany :
- Fanampiana ny any an-tanindrazana : orphelinat na association de
développement culturel. Nandritry ny 2010-2012 Fanampiana ny association AIDE
et ACTION an’i Madagasikara.
- Zaikabe mparitany isan-taona
- Zaikabe nasionaly isan-dr2 taona
- Fifandraisana na fanontronana amin’ny Svk rahavavy amin’ny faritra
misy ny SvkO : Faritany Afovoany Antsinana ( Fafats.)
Vaovao farany 2012 :
- Assemblée Générale Svk Fafats 29
septembre 2012.
Nandray
ireo rahavavy SVK Fafats sy ny Rangahy vitsivitsy teto an-toerana sy avy any
ivelany, mpiara-miasa ao amin’ny Tompo nanotrona sy nanampy antsika. Nihisa 50 mahery
teo isika rehetra.
Fihaonana
am-bavaka sy fampianarana ara-panahy no nandavorary ny fandaharam-potoana :
bilan svk fafats 2010-2012 sy fanavaozana birao Svk fafats hiasa mandritry ny
taona 2 manaraka 2012 -2014.
NY BIRAO SVK FAFATS mandritry
ny 2 taona manaraka :
Filoha
: Rtoa Nivo Rajaofera ( Tafo Cergy)
Filoha mpanampy : Rtoa
Ruth Rasamimanana ( Tafo Orléans)
Mpitantsoratra : Tafo
Fihobiana sy Melun
Mpitantam-bola : Tafo
Vincennes
Mpitahiry vola : Tafo
Grand Champs
Mpanolontsaina : Tafo
Arago sy Vatofehizoro
Ny tatitry ny AG
nataon’ny mpitantsoratra Svk fafats dia
omena ny mpikambana.
Ny antsipirihiny koa dia azo
henoina ao amin’ny RADIO VATSY.
- Zaikabe Nasionaly tany Dijon ny
12-13-14 octobre 2012
Fito mirahavy no solontena
SvkO tany Dijon.
Fihaonam-be feno
fiainam-bavaka, fampianarana ara-tsaina, ara-panahy eo anivon’ny
fiainam-piangonana sy sampana ary ny fiainana ankapobeny; bilan asa Svk
Nasionaly 2010-2012 ny fandaharam-potoana mandritry ny Zaikabe Nasionaly.
Natao tamin’izany ny
FIFIDIANANA ny BIRAO SVK FAFATS hiasa mandritry ny 2 taona manaraka: tafo sy
anarana (miandry ny tatitra avy amin’ny mpitan-tsoratra Svk Nasionaly)
Ny Mpitandrina Jacky
Andriambololona no nitarika ny Svk Fafats teo amin’ny takariva mpifaliana.
Ny takarivam-pifaliana iraisana
sy isam-paritra dia nandravaka ny takarivam-pifalian’ ny Zaikabe Nasionaly. Ny
vokatra feno harena taozavatra malagasy nentin’ireo Svk La Réunion, ny buffet
collation sy goûter spécialité malagasy sy maro hafa koa natolotry ny tafo
nandray Dijon dia lavorary aokizany. Azontsika henoina ao @ RADIO VATSY ny
antsipirihin’ny ZAIKABE io; izay nandraisana feo manokona kely ny filohan’ny Svk tsirairay.
Ny tatitra avy @ mpitantsoratra
Svk Fafats dia halefa amin’ny mpikambana.
ASA atoato : fanomanana
Noelin’ny Sampana arahana sakafom-pirahalahiana.
Fivoriana manaraka : asabotsy
24 novambra 2012 tolakandro ( toerana sy ora hamafisina tsy ho ela)