NY RAN’I KRISTY : FANAVOTANA HO ANTSIKA
Ity texte ity dia tsy azo sarahina amin’ny
Hebreo toko 9 sy toko 10. Voalaza ao amin’ny Heb 9, 22 fa raha tsy misy rà
latsaka dia tsy misy famelan-keloka. Izany no fombam-pivavahana teo amin’ny
Testamenta Taloha. Ny Levitikosy 16 ohatra dia mitantara ny famonoana
osilahy na ondrilahy natao fanatitra noho ny ota.
Izany fanatitra voalazan’ny Testamenta Taloha
izany anefa dia tsy mahaisotra ota satria raha mahaisotra ota izany hoy ny
mpanoratra ity episitily ity dia tsy ho naverimberina isan-taona (Heb 10, 1-4).
Tsy mahaisotra ota ireny fanatitra alatsa-drà ireny satria tsy
sitrak’Andriamanitra (Heb 10, 5-6) noho izy ireny naterina araka ny lalàna (Heb
10, 8). Ny lalàna no nanery ny mpisorona nanao azy. Tsy sitrak’Andriamanitra
izany.
Ny sitrak’Andriamanitra dia izay vokatry ny fo.
Ny sitrak’Andriamanitra dia ny fanaovana ny sitrapony an-tsitra-po,
am-pitiavana fa tsy izay avy amin’ny faneriterena avy amin’ny lalàna akory.
Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe :
“Inty aho tonga Andriamanitra ô hanao ny sitrakao” ( Heb 10, 7-10) dia
nanatitra ny tenany am-pitiavana Izy, nanolotra ny tenany hatao fanatitra.
Ny ràn’i Kristy
I Kristy dia tsy mba nitondra ràn’osilahy na
ràn-janak’omby natao fanatitra, fa ny ràn’ny tenany no natolony an-tsitra-po
(Heb 9, 12). Marihana anefa, fa tsy Andriamanitra Ray no mila ny ràn’i Kristy
hanadiovana ny tenany. Tsy Andriamanitra no nanota. Sanatria izany! Misy
mihevitra fa, ny faharatsimpon’Andriamanitra dia tsy maintsy toniana amin’ny
ràn’ny tsy manan-tsiny, amin’ny ràn’ny Zanak’ondry. Misy mihevitra
an’Andriamanitra ho mpamaly faty.
Tsy izany no hambaran’ny Soratra Masina. Tsy
Andriamanitra Ray no mila rà hanadiovana ny tenany fa isika no mila ny ràn’ny
Zanak’ondry, isika no mila ny ràn’i Kristy hanadio antsika.
Andriamanitra dia fitiavana ary ny làlana mankeo
Aminy dia mivoha mandrakariva amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Mba hahazoana
miditra ao dia mila ny ràn’i Kristy isika hanadio antsika.
Inona no zava-mitranga amin’ity hoe fanavotana amin’ny ràn’i Kristy ity ?
1)
Ny ràn’i Kristy no manadio antsika.
Diovina
isika satria mpanota no sady manao heloka isan’andro. Mpanota isika satria
nandova ota. Ary vokatr’izany fandovana ota izany dia misy fitongilanana
amin’ny ratsy ao anatintsika ao (Sal 14, 3). Hay ho azy io manota io. Tsy
ampianarina fa hay ho azy. Ka dia manota isan’andro isika, velona amin’ny ota
isika. Mamorona ota isan’andro koa isika no sady manao heloka koa.
Samihafa ny atao hoe heloka sy fahotana. Ohatra no entiko
hanazavana azy. Ny hazo tsara mamoa voa tsara ary ny hazo ratsy mamoa voa
ratsy. Ny heloka dia oharina
amin’ny voa ratsy avy amin’ny hazo ratsy izay manondro ny fahotana. Araka
izany, ny heloka dia vokatry ny fahotana. Ny fahotana dia ny tsy finoana
an’Andriamanitra, ny fandavana an’i Kristy. Ny heloka dia ny halatra ohatra, ny
fankahalana sy ny sisa maro tsy voatanisa. Mandram-piala eto an-tany dia
manongotra io hazo ratsy io foana isika.
Ny ràn’i Kristy no manadio antsika amin’izany
rehetra izany mba hananantsika toky mandrakizay fa tsy miova ny
fitiavan’Andriamanitra antsika.
2) Ny ràn’i Kristy no mampihavana antsika
amin’Andriamanitra Ray.
“Ianareo izay lavitra fahiny dia nampanakeken’ny
ràn’i Kristy” hoy ny apostoly Paoly (Efes 2, 13). “Kristy
no ananantsika fanavotana amin’ny ràny dia ny famelana ny fahadisoantsika”
(Efes 1, 7). Eo amin’izay misy famelan-keloka no misy fihavanana
amin’Andriamanitra koa. Rehefa mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra
isika dia angatahina amin’ny anaran’i Kristy izany.
Amin’ny teny hafa dia hoe Jesosy Kristy no
mitondra antsika eo amin’Andriamanitra Ray rehefa nodioviny tamin’ny ràny
isika.
3) Ny ràn’i Kristy koa no manao
famoronam-baovao amin’ity tenan’ny fahafatesana ity noho ny asan’ny Fanahy
Masina.
Noho
ny fahotana dia mizotra ho amin’ny fahafatesana isika, tsy ny nofo ihany fa
isika manontolo. Izao anefa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany
antsika araka ity Hebreo ity : “Izao no fanekena ataoko aminy hoy
Jehovah : ataoko ao am-pony ny lalàko sady soratako ao an-tsainy” (and 16). Ny
faneken’Andriamaintra dia Izy Andriamanitra no manatanteraka azy, Izy no
mandray ny andraikitra rehetra mba hahatanteraka izany fanekena izany.
Izany
no antony nanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany ho an’izao tontolo izao sy ny
Fanahy Masina. Fa ny Fanahy Masina no
manoratra ny lalàna ao am-pon’ny olona ary ny ràn’i Kristy no ranomainty
anoratany azy.
Araka izany, ny famelan’Andriamanitra heloka
(sy/na ota) dia midika ho fandraisan’Andriamanitra ilay olona ho Azy tanteraka.
Omeny ny Fanahiny hitarika azy ho amin’ny marina rehetra izy. Omeny ny Fanahiny
hitarika azy ho amin’ny fibebahana marina izy.
Ny fibebahana marina dia ny fanekena fa mpanota
sy olo-meloka izy ary fantany ilay fahotana na heloka nataony (angatahina
amin’ny Fanahy Masina ny fampahafantarana izany fahotana sy/na heloka izany).
Ny vokatr’izany fiaikena fa mpanota izany dia fifonana sy fanekena ny herin’ny
ràn’i Kristy ary faniriana fatratra ny hosasan’izany. Manomboka hatreo, dia
toetra vaovao avy amin’ny Fanahy Masina no sitrany sy ataony ary mangataka
isan’andro amin’ny Tompo izy mba hampitoetra tsara azy amin’izany.
“Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia
olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (II Kor 5, 17) hoy Paoly.
Jesosy Kristy mipetraka eo an-tanana
an-kavanan’Andriamanitra Ray, mifona ho antsika isan’andro
isan’andro. Noho ny Amiko Ray ô dia avelao ny helony sy ny fahotany. Midika
izany fa mbola miasa Kristy, ary azo antoka ny asany. Vokatr’izany : ”Ny
fahotan’ny olona sy ny helony dia tsy hotsarovan’Andriamanitra intsony” (and
17).
Andriamanitra
rehefa mamela antsika dia mamela tanteraka. Azo antoka ny famelany heloka (sy/na ota). Misy
olona izay andevon’ny lasa ; ny heloka (sy/na ota) efa navelan’Andriamanitra 10
taona lasa ohatra dia mbola tsiahiviny ihany ka angatahana famelana indray
ankehitriny.
Hatreo amin’ny nanoloran’i Jesosy Kristy ny tenany, dia
tsy misy fandatsahan-drà intsony ho famonjena. Ampy ho mandrakizay ny ràn’i
Kristy satria ny ràn’i Kristy dia manadio 100%, hatramin’izay miafina indrindra
na hatramin’ny eritreritra aza.
Mipetraka eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra Ray
i Kristy Jesosy mandrampanaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
Fotoana intermédiaire izao ; fotoana eo anelanelan’ny
nandresen’i Kristy an’i Satana sy ny hanorotoroany an’izy ireo amin’ny farany.
Izany hoe, amin’izao androntsika izao dia mbola velona Satana ary mbola miasa
na dia efa noresen’i Kristy tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty aza.
Mbola hitantsika amin’izao androntsika izao ny fisian’ny
kiakiaka sy tomany, taraina vokatry ny ataon’i Satana sy ny miaramilany, mbola
hitantsika koa ny avonavona, ny adilahy, ny tsy fitiavana, ny fitokana-monina
tsy mila ny hafa, sns...
Mandrampiala eto an-tany dia miady amin’io
Satana io foana isika. Raha mbola velona ka mifoka rivotra dia miady amin’io
Satana io foana (Efes 6, 12). Tsy miady irery isika amin’izany, fa
Andriamanitra no miady ho antsika. Raha tsy miaraka amin’i Jesosy isan’andro
isan’andro dia tsy afaka ny hanao izany.
Ny vavaka ataon’ny mino, vavaka fiadiana
amin’Ilay ratsy dia fiadian’Andriamanitra atolony antsika. Ny asan’ny
fiangonana izay mitory fanafahana, fampihavanana sy fiadanana dia fiaraha-miasa
amin’Andriamanitra.
Mivavaka mandrakariva isika mba tsy ho azon’Ilay
ratsy. Ny vavaka eto dia tsy fombafomba toy hoe rehefa hisakafo dia tsy maintsy
mivavaka fa tena fanankinam-po tanteraka amin’Andriamanitra, tena
fiantsoantsoana an’Andriamanitra ho antoka sy fototry ny fahavelomana, tena
firaisan’aina tanteraka amin’i Kristy, tena fiainana toy rivotra iainana.
“Jesosy Kristy tsy fomba fa fiainana”.
Ny
finoana marina : miandry ny famonjen’i Kristy amin’ny fahanginana
Hitantsika eo amin’ny fiainantsika na ny
manodidina antsika anefa, fa na dia mivavaka aza isika dia mety
ianjadian-javatra mampalahelo ihany ny fiainantsika. Mety ho azon-doza na
zava-dratsy tsy ampoizina noho ny ataon’ny sasany. Tsy midika akory izany hoe
niala tamintsika Andriamanitra ka mampisalasala ny fiainan-koavintsika
rahatrizay.
Andriamanitra miaraka amintsika Izy na hatrany
am-pasana aza. “Fa ny fanatitra iray ihany no
efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (and 14). Ny hoe
“olona hamasinina” dia olona nofidian’Andriamanitra ho Azy na velona na maty.
Ny mino dia matoky ny ràn’i Kristy ary mivavaka
mandrakariva mba tsy hahazo azy Ilay ratsy. Ary raha sanatria ianjadian-javatra
avy amin’Ilay ratsy izy dia mivavaka mba tsy ho azon’ny fakam-panahy.
Ny fakam-panahy dia ny fanaovana ny fomban’i Jodasy. Ny
maha Jodasy an’i Jodasy dia tsy ilay vola telopolo notakiany hamadiana an’i
Jesosy akory satria naveriny io, fa ny fanereny an’i Jesosy : raha
Zanak’Andriamanitra Izy dia asehony tokoa izany maha-Zanak’Andriamanitra Azy
izany raha tamy hamely Azy ny fahavalo. Izany no fomban-Jodasy, hevitra toa
marina nefa mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanome
tanteraka an’i Jesosy Kristy Zanany ho an’izao tontolo izao.
Enga anie mba tsy hanao fomban-Jodasy ny mino ka
hanao hoe raha Andriamanitra mahery noho i Satana tokoa Izy nahoana aho no
marary na hiaram-boina toy izao? Nahoana no tsy asehony fa Izy tokoa no Kristy?
Ny mino dia matoky ary miandry ny famonjen’i
Kristy amin’ny fahanginana, amin’ny finoana. Fantany fa saro-pantarina tsy
takatry ny saina Andriamanitra sy ny làlany ( Joba 38). Ny azo antoka dia izao
:
Ampy
antsika ny ràn’i Kristy
Mitsatoka eto ny Hazo fijaliana! Mitete ao
amin’ny fiangonana ny ràn’i Kristy! Ianao dia an’Andriamanitra na matory na
mifoha na salama na marary na maty na velona. Ary mbola ho avy ny andro izay
hanaovan’i Kristy io Satana io ho fitoeran-tongony ka tsy ho afaka hiasa sy
hamitaka ny zanak’Andriamanitra intsony izy. Hohidin’ny herin’i Kristy ho
amin’ny fahafatesana mandrakizay izy.
Mitete eto ny ràn’i Kristy! Ao amin’ny fiangonana no
hanadiovan’i Jesosy Kristy ny olona amin’ny ràny amin’ny alalan’ny batisa mba
tsy ho hita sy tsy ho tsarovana mandrakizay intsony ny fahotany. Ao amin’ny fiangonana
no hampaherezany ireo kivy sy ketraka amin’izao fiainana izao. Ao amin’ny
fiangonana no handraisan’i Kristy ireo mamoifo sy tampi-dalan-kaleha ary ireo
ahilikiliky ny fiaraha-monina sy lazainy ho tsy misy vidiny intsony. Ao amin’ny
fiangonana no handraisany ireo maditra ka mitady marina ny famonjena. Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo
mpiavonavona tsy mahavonjy tena, vonona handray fiainam-baovao. Ao amin’ny
fiangonana no handraisany ireo manana fo torotoro sy mangorakoraka.
Ao amin’ny fiangonana no hanomezan’Andriamanitra
ny fiainana mandrakizay. Ao amin’ny fiangonana no hitehirizan’i Kristy ireo
rahalahiny sy anabaviny mahatoky Azy amin’ny finoana. Ao amin’ny fiangonana no
hitantanany ireo mpivahiny trotraka mba tsy hosolafaka. Ao amin’ny fiangonana
no handraisany antsika ka itenenany hoe : “Ahy ianao, Izaho no niteraka anao
androany”.
Ka amin’izany dia ao amin’ny tenan’i Jesosy
Kristy no handraisan’Andriamanitra antsika sy hizaràny ny heriny sy ny fiainany
mandrakizay amintsika. Ao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy, izay sady
Andriamanitra no olona tokoa, no iombonan’Andriamanitra sy isika olombelona
mandrakizay. Koa raha mbola velona koa Kristy dia tsy hisy hahasaraka antsika
amin’Andriamanitra na inona na inona, na iza na iza.
Sambatra izay manana an’i Kristy! Kristy izay
Vato fehizoron’ny fanjakan’Andriamanitra (Efes 2, 20). Ny fiangonana no
vavahadin’izany fanjakan’Andriamanitra izany ary ny ràn’i Kristy dia mitete eo.
Ary dia sitrak’Andriamanitra tokoa no
sady maminy indrindra ny itoerantsika olombelona miaraka Aminy ao amin’izany
fanjakana izany.
Mazotoa manolo-tena isan’andro ho
an’Andriamanitra ry havako. Inty aho Andriamanitra ô, mifona tanteraka Aminao.
Inty aho Andriamanitra ô, tena hivavaka marina tokoa. Raiso ny foko Tompo ô,
ampaherezo aho. Meteza hanaiky ny tenin’i
apostoly Petera manao hoe :” Ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny
fanaon’ny jentilisa...” (I Pet 4, 3) dia ho hitanao ny hatsaran’Ilay nandatsaka
ny ràny ho famonjena anao.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy
Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Amena.
Naina ANDRIALAMPISON
Mpitandrina
ny Tafo