Mat 6. 25-34
AZA MANAHY …
Olona efa nandray ny fahasoavan’Andriamanitra ka nofidiany hanaraka Azy no iantefan’ny tenin’i Jesosy eto.
Inona no nolazain’i Jesosy azy ireo?
Aza manahy ny amin’ny ainareo na ny amin’ny tenanareo.
Ny aina sy ny tena dia lehibe lavitra noho izay hohanina, hosotroina sy hotafiana nefa dia karakarain’Andriamanitra. Koa raha ny lehibe aza karakarainy maika va fa ny zavatra madinika?
Manamafy izay nolazainy ny Tompo, ka eto indray dia milaza Izy fa mikarakara na dia ny zava-boahariny madinika toy ny voro-manidina sy ny voninkazo aza. Koa raha ny kely toy ireny aza karakarain’Andriamanitra maika va fa ianareo izay lehibe lavitra noho ireny, hoy Izy?
Amin’ny maha-voaharin’Andriamanitra ny voninkazo no ikarakaran’Andriamanitra azy, fa amin’ny maha-zavaboahary tsy afaka hino azy no anatsipazana azy any am-patana. Tandremo sao ny fanahianareo ny amin’ny zavatra kely dia izay hotafiana sy hohanina no anarianareo ny zava-dehibe dia ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny fanahiana dia midika ho tsy finoana. Ny tsy fahatokiana an’Andriamanitra sy ny heriny ary ny maha Andriamanitra Azy dia tsy finoana. Ny finoana no hamonjena.
Midika ve izany hoe aza manao na inona na inona?
Ny ohatra nalain’i Jesosy voalohany eto dia ny vorona.
Mamelona azy Andriamanitra satria Izy no namorona ny sakafony. Ny anjaran’ny vorona kosa dia ny mitady izany.
Izao koa, Adama sy Eva dia napetrak’Andriamanitra tao amin’ny saha Edena mba hiasa sy hitandrina ny saha.
Hoy koa ny Apostoly Paoly : “Raha misy tsy mety miasa, aoka izy tsy hihinana” (II Tes 3.10).
Manana andraikitra hitsinjo ny ho avy koa ny olombelona. Ny Ohabolana 6. 6-11 dia manambara fa ny vitsika manangona amin’ny fararano ho amin’ny ririnina.
Tsy mitovy ny mino sy ny tsy mino
Na ny jentilisa na ny kristiana dia samy miasa, samy mitsinjo ny ho avy fa ny maha samihafa azy dia izao : ny jentilisa dia tsy misy zotra ny fiainany. Ny eto an-tany ihany no fantany. Ny kristiana kosa dia mahalala fa ny ankehitrininy dia hitohy rahatrizay ao amin’Andriamanitra.
Jesosy Kristy : fanjakan’Andriamanitra
Ny fanjakan’Andriamanitra tian’i Jesosy hambara eto dia ilay fanjakana izay naoriny teo anivon’ny olony dia Jesosy Kristy Mpanjaka. Ny mino rehetra no ao anatin’io fanjakana io. Ny hoe : “katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany” dia midika hoe : tadidio fa ianao dia olona efa ao anatin’io fanjakana io. Ny fitoeranao amin’izany no hahafahanao miaina toy ny zanaky ny fanjakana. Isan’izany ny tsy fanahiana na amin’inona na amin’inona.
Ny mino rehetra izay ao anatin’izany fanjakana izany dia miara-miasa amin’ny Mpanjakan’ilay fanjakana mba hahatanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra manao hoe : “hanampy ho anareo izany rehetra izany”, ka ny manana be dia hanome ny tsy manana sy ireo kivy sy ketraka amin’izao fiainana izao.
Fa rehefa ny lehibe (Andriamanitra) no anananao, ny kely (izay momba izao fiainana izao) dia omeny anao.
Aza manahy ny amin’ny ampitso
Ny mino dia mametraka ny ampitsony eo am-pelantanan’Andriamanitra. Raha atao aza hoe tsy ho hitany intsony io ampitso io noho ny ratsy miseho androany dia matoky izy, tsy manahy izy fa ny ampitsony mandrakizay dia eo am-pelan-tanan’Andriamanitra izay tia azy. Andriamanitra mahatoky Izy, ary tsy mivadika amin’ny teniny : “ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany” hoy Jehovah (Isa. 45. 11b).
Ny voatsinampy na dia kely, bitika sy tsy misy vidiny, dia tsy hadinon’Andriamanitra na latsaka amin’ny tany aza. Raha mikarakara ny voatsinampy Andriamanitra raha latsaka amin’ny tany io, dia hikarakara ny mino mihoatra izany koa Izy raha tojo ady sarotra na fahafatesana. Eo foana Andriamanitra amin’ny trangan-javatra rehetra amin’ny fiainany.
Aza manahy fa Andriamanitra miahy sy mikarakara ny mino Azy na amin’ny fiainana na amin’ny fahafatesana. Amena.
Zaranaina ANDRIALAMPISON,
Mpitandrina Mpandrindra ny Tafo